Skip to content

"Rehefa mandre ny antso ho amin'ny vavaka ianareo (Azan) dia averenonareo izay lazain'ilay mpiantso."

Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe :

"Rehefa mandre ny antso ho amin'ny vavaka ianareo (Azan) dia averenonareo izay lazain'ilay mpiantso."

«إِذَا سَمِعْتُمُ النِّدَاءَ، فَقُولُوا مِثْلَ مَا يَقُولُ المُؤَذِّنُ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Mamporisika antsika hamaly ny mpiantso rehefa mandre azy ny Mpaminany (SAW), amin'ny famerenana izay lazainy, fehezanteny isaky ny fehezanteny. Rehefa miteny “Allaho Akbar” izy, dia isika koa mamaly hoe “Allaho Akbar” ao aoriany, ary rehefa manonina ny fijoroana ho vavolombelona roa izy, dia manonina izany koa isika ao aoriany. Tsongaina manokana ny teny hoe : (Hayya Àla-soalat, Hayya Àlal-Falàh - Izay midika hoe : Mitongava manatrika ny vavaka, mitongava amin’ny fahombiazana), eo kosa dia tenenina ao aoriany hoe : (Là Haola wala-qowwata illà billàhy - Tsy misy hery na tanjaka afa-tsy amin’Allah.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Mamerina ny voalazan'ny mpiantso faharoa rehefa vita ny an'ilay voalohany, raha toa ka maromaro ny mpiantso: Satria ny mpanao Azany amin'ny ankapobeny no lazain'ny Hadith.

Mamaly ny mpiantso amin'izay rehetra teneniny, raha tsy ao amin'ny trano fivoahana na mamoaka maloto ihany no tsy manaraka

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (1/ 126) (611).

Sahìh Moslim (1/ 288) (383).

Ny Fanampiny (4)

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

للبسام (ص120).

الإلمام بشرح عمدة الأحكام.

لإسماعيل الأنصاري (1/ 98).