Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

9 of 665 cards

Clear filters
"Ny fianianana dia mampandany entam-barotra, saingy manaisotra tombony."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Hoy Allah ilay Tsitoha : Manozona Ahy ny zanak’i Adama, amin'ny fanompana ny loza, nefa izaho no tompon'ny loza, ary eo am-pelatanako ny raharaha rehetra ka manova ny alina sy ny andro Aho.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Fantatrareo ve ny atao hoe Fifosana? ” Hoy izy ireo namaly hoe : “i Allah sy ny Irany no tena mahalala". Hoy Izy (S.A.W) hoe : «Ny fitenenanao momba ny namanao amin’ny zavatra izay tsy tiany» Hoy izy ireo hoe : ka ahoana raha misy amin'io rahalahiko io ilay zavatra nolazaiko. Namaly Izy (S.A.W) hoe : “Raha misy aminy tokoa izay nolazainao, dia efa nifosa azy ianao, fa raha tsy misy aminy kosa izany, dia efa nanendrikendrika azy ianao”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, inona no famonjena? Dia hoy izy : “Tandremo ny lelanao, ary halalao ho anao ny tranonao, ary mitomaniza amin'ny fahotanao.”
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
"Ny mpino silamo dia tsy mpanindrona be, mpanozona be, mpanao vetaveta be, na mpiteny ratsy."
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì
“Tsy misy zavatra mavesatra indrindra eo amin'ny mizanan’ny mpino amin’ny andro farany mihoatry ny toetra tsara, ary halan’i Allah ny vetaveta sy tsy fahamendrehana”.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì
"Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany amin'ny lelany sy ny tanany, ary ny mpifindra monina dia izay nisitaka ireo zavatra noraran'Allah."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay milaza amin’ny rahalahiny hoe : o ry tsy mpino, dia tanteraka amin'iray tamin’izy roa, raha tsy izany dia haverina aminy ny teniny.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim