“Aoka tsy hihazona ny filahiny amin’ny tànany havanana ny iray aminareo rehefa mipipy, na misasa ny henatrany amin’ny tànany havanana, na miaina ao anaty vilia”.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Katada (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Aoka tsy hihazona ny filahiny amin’ny tànany havanana ny iray aminareo rehefa mipipy, na misasa ny henatrany amin’ny tànany havanana, na miaina ao anaty vilia”.
«لَا يُمْسِكَنَّ أَحَدُكُمْ ذَكَرَهُ بِيَمِينِهِ وَهُوَ يَبُولُ، وَلَا يَتَمَسَّحْ مِنَ الْخَلَاءِ بِيَمِينِهِ، وَلَا يَتَنَفَّسْ فِي الْإِنَاءِ».
Nanazava ny ampahany amin'ny fahalalam-pomba ny Mpaminany (S.A.W); ka nandrara lehilahy hitazona ny filahiny rehefa mipipy amin’ny tànany havanana, ary manala ny loto amin’ny filahiana na ny any ambany amin’ny tànana havanana; Satria ny havanana dia voaomana ho amin'ny asa soa. Norarany koa ny olona mba tsy hiaina ao amin’ny zinga fisotrony.
Manazava ny laharam-pahamehan'ny finoana Islam amin'ny fahalalam-pomba sy ny fahadiovana.
Fanalavirana ny zavatra maloto, fa raha tsy maintsy manao izany izy dia aoka hanao izany amin'ny tànana ankavia.
Fanazavana ny voninahitry ny havanana sy ny fahamboniany noho ny ankavia.
Ny fahafenoan'ny lalàna Islamika sy ny fahafenoan'ny fampianarany.
Sahìh Al-Bokhari (1/ 42) (154).
Sahìh Moslim (1/ 225) (267).
Ny Fanampiny (4)
تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.
للبسام (ص41).
تنبيه الأفهام شرح عمدة الأحكام.
لابن عثيمين (1/ 45).