Skip to content

"Ny nofy tsara dia avy amin'IAllah, ary ny nofy ratsy dia avy amin'i Satana, ka raha misy aminareo manonofy izay mampahatahotra azy, dia aoka handrora amin'ny ilany havia izy, ary hitady fialofana amin'IAllah amin'ny faharatsian'izany, dia tsy hahavita haninona azy".

Tatitra azo avy tamin'i Abo Qoatada (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Ny nofy tsara dia avy amin'IAllah, ary ny nofy ratsy dia avy amin'i Satana, ka raha misy aminareo manonofy izay mampahatahotra azy, dia aoka handrora amin'ny ilany havia izy, ary hitady fialofana amin'IAllah amin'ny faharatsian'izany, dia tsy hahavita haninona azy".

«الرُّؤْيَا الصَّالِحَةُ مِنَ اللَّهِ، وَالحُلُمُ مِنَ الشَّيْطَانِ، فَإِذَا حَلَمَ أَحَدُكُمْ حُلُمًا يَخَافُهُ فَلْيَبْصُقْ عَنْ يَسَارِهِ، وَلْيَتَعَوَّذْ بِاللَّهِ مِنْ شَرِّهَا، فَإِنَّهَا لاَ تَضُرُّهُ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nampahafantatra ny Mpaminany (S.A.W) fa ny nofy tsara mahafaly amin’ny torimaso dia avy amin’I Allah, ary ny nofy ratsy izay maharikoriko sy mampalahelo dia avy amin’i Satana. Ka izay mahita zavatra halany, aoka izy handrora amin'ny ankaviany, ary hitady fialofana amin'IAllah amin'ny faharatsiany. Tsy hanisy ratsy azy izany, satria nataon’I Allah ho fiarovana amin’ny loza ateraky ny nofy ilay voalaza.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny fahitana sy ny nofy dia fanehoana ny zavatra hitan’ny matory amin’ny torimasony, fa ny fahitana no mibahan-toerana amin’izay hitany momba ny tsara sy ny mahafinaritra, ary ny nofy dia mibahan-toerana amin’izay hitany ny ratsy sy ny maharikoriko, ary samy ampiasaina ho solon’ny hafa.

Sokajin'ny nofy : 1- Nofy tsara, izy io dia fahitana marina sy vaovao mahafaly avy amin'I Allah izay hitany na aseho aminy, 2- Bitsibitsiky ny tena, izay lazain'ny olona amin'ny tenany eo am-pifohazana, 3-Alahelo sy fampitahoran'i Satana sy ny fanelingelenany mba hampahory ny zanak’i Adama.

Ny zavatra voalaza momba ny lohahevitra amin'ny nofy tsara dia zavatra telo : Ny misaotra an'I Allah noho izany, ny mifaly amin'izany, ary ny miresaka izany fa amin'izay olona tiany fa tsy amin'izay mankahala azy.

Ny zavatra voalaza momba ny lohahevitra amin'ny nofy ratsy dia dimy : Ny fangatahana fiarovany amin'Allah amin'ny faharatsiany sy ny faharatsian'i Satana, ary ny mandrora intelo rehefa nifoha avy natory ho amin'ny ilany ankavia, ary tsy milaza na amin'iza na amin'iza, ary raha te hiverina amin'ny torimasony izy, dia mivadika amin'ny ilany; ka tsy nahavita ratsy azy izany.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (4/ 125) (3292).

Sahìh Moslim (4/ 1771) (2261).

Ny Fanampiny (12)

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (11/ 190).

بهجة الناظرين.

لسليم الهلالي (2/ 125).

بهجة قلوب الأبرار.

لعبد الرحمن آل سعدي (ص149).

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (6/ 170).

منار القاري.

لحمزة محمد قاسم (1/ 44).

المنهاج شرح صحيح مسلم.

للنووي (15/ 18).