Skip to content

“ Aza mihoa-pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Allah no sady Iraka avy Aminy ".

Tatitra azo avy tamin'i Omar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny hoe : Izaho dia naheno an'i Mpaminany (S.A.W) niteny :

“ Aza mihoa-pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Allah no sady Iraka avy Aminy ".

«لَا تُطْرُونِي كَمَا أَطْرَتِ النَّصَارَى ابْنَ مَرْيَمَ؛ فَإِنَّمَا أَنَا عَبْدُهُ، فَقُولُوا: عَبْدُ اللهِ وَرَسُولُهُ».

Notantarain’i Bokhari
Mari-pototra
Ny fanazavana

I Mpaminany (S.A.W) dia mandrara ny fihoaram-pefy sy fampitomboana ny fetra ara-dalàna amin'ny fiderana azy sy ny famaritana azy amin'ny famaritana nataon'I Allah Tsitoha azy, toy ny hoe mahafantatra ny tsy hita maso izy, na mahay zavatra hafa miaraka amin'I Allah, toy ny ny Kristiana dia nanao an'izany amin'i Jesosy zanak'i Maria (A.S). Avy eo dia nambarany mazava tsara fa iray amin'ireo mpanompon’I Allah izy, ary nandidy ny hilazanay momba azy hoe : Mpanompon’i Allah sy iraka avy Aminy.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fampitandremana mba tsy hihoatra ny fetra ara-dalàna amin'ny fanomezam-boninahitra sy ny fiderana; satria izany dia mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy.

Ny zavatra nampitandreman'ny Mpaminany (S.A.W) dia nitranga tamin'ity vahoaka ity, ka nisy antokon'olona nihaom-pefy tamin'ny fitiavana ny irak'Allah, ary ny antokon'olona iray nihoam-pefy teo amin'ny ankohonany, ary ny vondrona sasany teo amin'ny olona masina, ka dia rendrika tamin’ny fanompoan-tsampy izy ireo.

Nampahafantatra momba ny tenany i Mpaminany (S.A.W) fa mpanompo an'i Allah izy, mba hafantarantsika fa tena mpanompo fatratra an'i Allah izy ka tsy mendrika azy ny hanomezana toetra mitovitovy amin'I Allah.

Nilaza ny tenany ho irak'I Allah i Mpaminany (S.A.W) mba hampisehoana fa iraka avy amin’i Allah izy, ka tsy maintsy inoana sy arahina.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (4/ 167) (3445).

Ny Fanampiny (6)

عمدة القاري شرح صحيح البخاري.

محمود بن أحمد بدر الدين العيني (16/ 37).

فتح الباري.

لابن حجر (6/ 490).

منار القاري شرح مختصر صحيح البخاري.

حمزة محمد قاسم (4/ 208).