Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

45 of 665 cards

Clear filters
Raha tena manankina marina ny fiainanareo amin'i Tompo Allah Ianareo, dia hanome anjara masoandro ho Anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy mibontsina hatrany ny kibony (voky) rehefa Izy miverina amin'ny ariva. (Izany hoe mandehana mitady n'y anjara masoandro no sady dia ankino tsara amin'i Tompo Allah ny fiainana).
Mari-pototra Notaterin'i Imam Ahmad sy Tirmizi sy Nasày sy Ibno Màdjah sy Ibno Hibban Ao amin'ny Swahih-ny ary Al-Hakim
“ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Allah, dia naniraka an’i anjely Jibril (A.S) Izy mba ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy hoe : “Jereo ny ao sy izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao. Dia nijery izany Izy, avy eo niverina ka niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona handre izany ka tsy hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny fahasahirana, dia hoy Izy : Mandehana any, ka jerevo ary izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao aminy. Dia nijery an'izany Izy ka hitany fa voahodidin'ny fahasahirana avokoa izany, dia hoy Izy hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho sao tsy hisy olona hiditra ao. Dia hoy i Allah indray hoe : Mandehana, jerevo ny Afobe sy izay efa namboariko ho an’ny mponina ao. Dia nijery azy i Jibril, ka hitany fa nifamatotra avokoa ny zava-drehetra, dia niverina Izy ka niteny nanao hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny filan’ny nofo avokoa izany, ka hoy Izy hoe : Miverena, ka jerevo. Dia nijery izany Izy, ka hitany fa voahodidin’ny filan’ny nofo, avy eo dia niverina Izy ka Niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho fa sao dia tsy hisy handositra an'izany ny olona fa dia hiditra ao avokoa.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
“ Ny Mpamaky ny Boky masina KOROANY ampahabemaso dia toy ny olona mpanome Soadaka an-karihary, ary izay mamaky ny Boky masina KOROANY amin’ny fomba sy endrika mangingina dia toy ny Olona mpanao sy mpamoka ny Soadaka an-tsitrapo ”.
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
"Ny maha akaiky indrindra ny Tompo amin'ny mpanompo dia amin'ny matonalina, koa raha afaka ny ho isan'ireo izay mahatsiaro an'I Allah amin'izany ora izany ianao, dia aoka hanao izany".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
Nisy lehilahy nanatona ny Mpaminany (S.A.W), ka niteny hoe : Hitanao ve raha nisy olona niady manantena valisoa sy dera eo amin'ny olona, dia inona no valisoa azony? Dia hoy ny irak'Allah (S.A.W) hoe : “Tsy misy valisoa azony”. Dia naverin'ilay rangahy in-telo ny fanontaniany dia namaly ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Tsy misy valisoa azony”, avy eo nolazainy hoe : "Allah tsy mandray asa afa-tsy izay atao an-kitsim-po, sy nampifaliany an'i Allah".
Mari-pototra Notaterin'i Nasày
Nivoaka tamin'ny alina be orana sy maizina izahay, nitady an'ilay Irak'Allah (S.A.W) mba hitarika ny fivavahanay, ka hoy izy : “ka hitako izy, dia niteny tamiko hoe : “Teneno”, fa tsy niteny na inona na inona aho. Avy eo niteny indray izy hoe : "Teneno" ka hoy aho: Inona no holazaiko? Hoy izy : «{Lazao hoe : Qol-howallàho Ahad}, izay midika hoe : Izy no Allah Tokana, sy Maw'izhatainy, in-telo isaky ny maraina sy hariva fa ampy hiaro anao amin'ny ratsy rehetra izany".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
" Ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny : LA ILAHA ILLA-LLWAHO (Tsy misy tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah), ary ny fangatahana sy fitalahoana tsara indrindra dia ny : AL-HAMDO LILLAHI (Fisaorana sy fankasitrahana ary fiderana an'i Tompo Allah) ".
Tsara Notantarain'i Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ibn Màjah
Ry irak'i Allah ô! maty ny renin'i Saad, ka inona no fanomezana tsaratsara kokoa, dia hoy izy : “Ny rano”, niteny izy : nangady vovo ary nolazainy fa ity ho an'i renin'i Saad.
Tsara amin'ny fomba rehetra Notantarain'i Abo Daòd sy Nasày ary Ibn Màdjah