Skip to content

Ry irak'i Allah ô! maty ny renin'i Saad, ka inona no fanomezana tsaratsara kokoa, dia hoy izy : “Ny rano”, niteny izy : nangady vovo ary nolazainy fa ity ho an'i renin'i Saad.

Tatitra azo avy tamin'i Saad bin Obada (R.A) niteny izy :

Ry irak'i Allah ô! maty ny renin'i Saad, ka inona no fanomezana tsaratsara kokoa, dia hoy izy : “Ny rano”, niteny izy : nangady vovo ary nolazainy fa ity ho an'i renin'i Saad.

يَا رَسُولَ اللَّهِ، إِنَّ أُمَّ سَعْدٍ مَاتَتْ، فَأَيُّ الصَّدَقَةِ أَفْضَلُ؟، قَالَ: «الْمَاءُ»، قَالَ: فَحَفَرَ بِئْرًا، وَقَالَ: هَذِهِ لِأُمِّ سَعْدٍ.

Notantarain'i Abo Daòd sy Nasày ary Ibn Màdjah
Tsara amin'ny fomba rehetra
Ny fanazavana

Nodimandry ny renin'i Saad bin Obada, ka nanontany ny Mpaminany (S.A.W) izy ny amin'ny karazana fanomezana tsara indrindra azo hatolotra ho an'ny reniny? Ka hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Ny fanomezana tsara indrindra dia ny rano, ka nihady lavaka fantsakana izy ka nanao izany ho fanomezana an'ny reniny.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fanazavana fa ny rano dia iray amin'ireo karazana fanomezana tsara indrindra.

Nanoro an'i Saad hanolotra fanomezana rano ny Mpaminany (S.A.W). Satria ny rano dia feno ny soa azo aminy, amin’ny raharaha ara-pinoana sy ara-piainana, ary noho ny hafanana be tafahoatra sy ny filana ary ny tsy fahampian-drano.

Porofo manambara fa tonga any amin’ny maty ny valisoan’ny fanomezana.

Fanasoavana nataon'i Saad bin Obada (R.A.) ny reniny.

Loharano iverenana

Sonan Abo Daòd (3/ 109) (1681).

Sonan An-Nasàì (6/ 254) (3664).

Sonan Ibn Màjah (4/ 643) (3684).

Ny Fanampiny (1)

شرح سنن أبي داود للعباد (204/ 19).