Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

5 of 665 cards

Clear filters
Raha tena manankina marina ny fiainanareo amin'i Tompo Allah Ianareo, dia hanome anjara masoandro ho Anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy mibontsina hatrany ny kibony (voky) rehefa Izy miverina amin'ny ariva. (Izany hoe mandehana mitady n'y anjara masoandro no sady dia ankino tsara amin'i Tompo Allah ny fiainana).
Mari-pototra Notaterin'i Imam Ahmad sy Tirmizi sy Nasày sy Ibno Màdjah sy Ibno Hibban Ao amin'ny Swahih-ny ary Al-Hakim
Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'i Tompo Allah ny lelanao ".
Mari-pototra Notaterin'i Ahmadi sy Tirmizi sy Ibno Màdjah ary Ibno Hibban
" Marina tokoa fa i Allah dia mitia ny fanatanterana ireo fanamaivanana izay nomeny, toy ny fitiavany fanatanterahana ireo didiny napetrany ".
Mari-pototra Notantarain’i Ibn Hibbàn
Nanao ny vaky kabariny tamin’ireo olona ilay irak'Allah (S.A.W) tamin’ny andro nahazoana ny tanànan'ny Lameka ka nanao hoe : “Ry vahoaka (mpino), nesorin’Allah taminareo ny vesatry ny habadoana sy ny fanomezanareo voninahitra ny razanareo noho izany, fa ny olombelona dia misy karazany roa : mpino, manam-patahorana, be voninahitra manoloana an’Allah, sy ny tsy matahotra an’Allah, ory, tsisy fotony eo anatrehan’Allah, ary ny olona rehetra dia taranak’Adama, Ary avy tamin’ny tany no niharian’Allah an’Adama. Hoy i Allah manao hoe : "Ry olombelona! Noharianay avy amin'ny lahy sy vavy ianareo, ary nataonay ho vahoaka sy foko maro, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo eo anatrehan'Allah, dia izay vontompinoana indrindra. Fa Mahalala sy Mahafantatra tsara ny zavatra rehetra Allah.” [Al-Hojràty: 13].
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ibn Hibbàn
“Ny olona mangalatra ratsy indrindra dia izay mangalatra ny soalat ataony.” Niteny izy hoe : “Ahoana ny fomba ataony mangalatra ny soalat-ny? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy mahafeno ny fihondrehany na ny fiankohofany.”
Mari-pototra Notantarain’i Ibn Hibbàn