Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny :
Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara ”, ary nanontaniana Izy ny amin’izay tena mitondra ny Olona ho any amin’ny Afobe . ka nanao hoe : “ Ny Vava sy ny Taovam-pananahana ”.
سُئِلَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَنْ أَكْثَرِ مَا يُدْخِلُ النَّاسَ الْجَنَّةَ، فَقَالَ: «تَقْوَى اللهِ وَحُسْنُ الْخُلُقِ»، وَسُئِلَ عَنْ أَكْثَرِ مَا يُدْخِلُ النَّاسَ النَّارَ فَقَالَ: «الْفَمُ وَالْفَرْجُ».
Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny antony lehibe indrindra hidirana ny Paradisa dia antony roa izany dia : Ny Fatahorana an'i Tompo Allah sy fanànana fitondran-tena Tsara sy Mendrika. Koa ny Fahatahorana an’i Tompo Allah : dia ny fametrahana fiarovana eo Aminao sy famaizan’i Tompo Allah, ary izany dia ny fanatanterahana ny Didiny sy ny fialana amin’ny Fandrarany. Fitondran-tena Mendrika dia : Atao amin’ny fitsikina eo amin’ny Tarehy sy ny fanaovana Asa soa ary ny fitsaharana amin’ ny Ratsy. Ny antony lehibe indrindra hidirana amin'ny Afobe dia antony Roa : Ny Lela sy ny Taovam-pananahana. Anisan’ny Ota sy Fahotana ny Lela : Mandainga, Mifosafosa, Fitondrana resaka mampiady, sy ny hafa. Anisan'ny Ota sy Fahotana ny Taovam-pananahana dia : Ny fijangajangana, ny Sodomia, sy ny hafa.
Ny fidirana ao amin’ny Paradisa dia manana antony mifandray amin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha, ao anatin’izany dia : Ny Fatahorana an'i Tompo Allahsy ny antony mifandray amin’ny Olona, anisan’izany : Ny toetra Tsara.
Mampidi-doza ho an’ny tompony ny Lela, ary anisan’ny antony hidirany amin’ny Afobe izany.
Ny loza ateraky ny fanirian-dratsy sy ny fijangajangana amin'ny Olombelona, ary izany no anisan'ny antony lehibe indrindra amin'ny fidiran'ny Afobe.
Sonan At-Tirmizì (3/ 536) (2004).
Sonan Ibn Màjah (5/ 318) (4246).
Mosnad Ahmad (13/ 287) (7907).
Ny Fanampiny (8)
توضيح الأحكام من بلوغ المرام.
للبسام (7/ 509).
منحة العلام في شرح بلوغ المرام.
لعبد الله الفوزان (10/ 369).
فتح ذي الجلال والإكرام.
لابن عثيمين (6/ 453).
سبل السلام بشرح بلوغ المرام.
للصنعاني (2/ 696).