Ny Mpaminany (S.A.W) nanasa indroa, indroa tamin'ny ouzò.
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Ibn Zayd (R.A) :
Ny Mpaminany (S.A.W) nanasa indroa, indroa tamin'ny ouzò.
أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ تَوَضَّأَ مَرَّتَيْنِ مَرَّتَيْنِ.
Indraindray ny Mpaminany (S.A.W) rehefa manao ozò dia manasa indroa ny rantsana tsirairay izay diovina, avy eo nanasa ny tavany - anisan'izany ny fanasan'ny vava sy ny orona - ary ny tànana roa sy ny tongotra indroa.
...:
Ny tsy maintsy atao eo amin'ny fanasana ny rantsambatana dia ny indray mandeha, fa ny mihoatra an'izany dia fanampiny mendrika.
Azo atao indroa ny manasa rantsam-batana rehefa manao ozò indraindray.
Ny Maha ara-dalàna eo amin'ny fisafoana loha dia ny indray mandeha.
Sahìh Al-Bokhari (1/ 43) (158).
Ny Fanampiny (1)
إرشاد الساري لشرح صحيح البخاري (1/ 244).