“Tsy anisany miaraka amintsika izay mamely takolaka sy mandrovitra paosy ary miantsontso toy ny tamin'ny andron'ny tsy fahalalana”.
Tatitra azo tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy anisany miaraka amintsika izay mamely takolaka sy mandrovitra paosy ary miantsontso toy ny tamin'ny andron'ny tsy fahalalana”.
«لَيْسَ مِنَّا مَنْ لَطَمَ الخُدُودَ، وَشَقَّ الجُيُوبَ، وَدَعَا بِدَعْوَى الجَاهِلِيَّةِ».
Nandrara amin'ny ataon'ny olona talohan'ny finoana silamo ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : Tsy anisany aminay: Ny voalohany : Iza mamely vatana, indrindra fa ny takolaka, satria izy no maro an'isa amin'izany, raha tsy izany dia tafiditra ao anatin'ny fandrarana ny mamely ny tavany. Ny faharoa : Mandrovitra ny akanjo mba hidiran'ny lohany noho ny tebiteby tafahoatra. Ny fahatelo : Nitalaho tamin’ny fitalahoan’ny olona talohan’ny finoana silamo toy ny fitalahoana loza, fandringanana, fitomaniana, ratra, sy ny hafa.
Io fampitandremana ao amin'ny hadith io dia manondro fa fahotana lehibe ireo asa ireo.
Voadidy ny manam-paharetana eo anatrehan’ny loza, ary voarara ny tsy faly amin’ny didim-pitsaran’I Allah izay mangotsika, ary maneho izany : amin’ny fidradradradrana, hiakihaka, fanapaham-bolo, fandrovitana, na hafa.
Voarara ny maka tahaka ny andron'ny tsy fahalalana amin'ny fanaovana izay tsy eken'ny lalàna.
Tsy misy maharatsy ny alahelo sy ny fitomaniana, satria tsy mifanohitra amin’ny faharetana amin’ny didin’I Allah izany, fa izy io dia famindram-po napetrak’I Allah ao am-pon’ny havana aman-tsakaiza.
Ny silamo dia tokony afa-po amin'ny sitrapon'I Allah, ary raha tsy afa-po izy dia ny faharetana no voadidy aminy.
Sahìh Al-Bokhari (2/ 81) (1294).
Sahìh Moslim (1/ 99) (103).
Ny Fanampiny (4)
تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.
لعبد الله البسام (ص287).
تنبيه الأفهام شرح عمدة الأحكام.
لابن عثيمين (2/ 379).
Cited in books
5 BooksNy Fanampiny (5)
- قاموس الكبائرموسوعة الكبائر - المجموعة الخامسة«لَيْسَ مِنَّا مَنْ لَطَمَ الْخُدُودَ، وَشَقَّ الْجُيُوبَ، وَدَعَا بِدَعْوَى الْجَاهِلِيَّةِ»
- ما لا يسع أطفال المسلمين جهله«لَيْسَ مِنَّا مَنْ لَطَمَ الخُدُودَ، وَشَقَّ الجُيُوبَ، وَدَعَا بِدَعْوَى الجَاهِلِيَّةِ»[187].
- مجموعة زاد الفقه (2)الفقه للمستوى الثاني ( مجموعة زاد )«ليس منا من لطم الخدود، وشق الجيوب، ودعا بدعوى الجاهليةِ».
- مجموعة زاد الفقه (2)الفقه للمستوى الثاني ( مجموعة زاد )«ليس منا من لطم الخدود، وشق الجيوب، ودعا بدعوى الجاهلية».
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (3)، والسيرة النبوية (3)التربية الإٍسلامية -3- «لَيْسَ مِنَّا مَنْ لَطَمَ الخُدُودَ، وَشَقَّ الجُيُوبَ، وَدَعَا بِدَعْوَى الجَاهِلِيَّةِ»