الفضل بن العباس
الإسم
Al-Fadl bin Al-A'bbàs
اسم الشهرة
Al-Fadl bin Al-A'bbàs - Fifalian'Allah anie ho azy -
نبذة مختصرة
Al-Fadl bin Al-A'bbàs bin Abd Al-Mottalib bin Hàshim bin Abd Manàf Al-Korashi Al-Hàshimi, Abo Mohammad sy Abo Abdillah, mpiara-dia lehibe, zanak'olo-mpiray tam-po tamin'ny rain'ny Mpaminany (S.A.W) - ary zanaka lahimatoan'i Al-A'bbàs, ary nomena anaram-bositra ho Al-A'bbàs, nanatrika ny fahazoana tanànan'ny Lameka niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny taona 8, ary nanatrika ady masina tao Honayna niaraka taminy izy, ary anisan’ny fianakaviany sy ny namany izay nijanona niaraka tamin’ny irak’Allah – S.A.W – fony izy nitondra ny vahoaka ka resy, ary nanatri-maso ny Hajj fanaovam-beloma niaraka tamin'ny irak'Allah izy, ary nandefa azy tao aoriany avy tao Mozdalifah ho any Mina i Mpaminany (S.A.W), ka nantsoina ho mpandimby an'ny Mpaminany (S.A.W) izy, ary nanatri-maso ny fahafatesan'ny irak'Allah (S.A.W) i Al-Fadl, ary nandray anjara tamin'ny fanasana azy teo am-pandrarahana rano tamin'i Ali bin Abi Talib, Tsy nitovy hevitra ny amin’ny daty nahafatesany, ary ny fitantarana marina indrindra momba izany dia ny nandehanany tany Siria hanao ady masina, ary maty tamin’ny areti-mandringana pesta tao Emaosy, avy any amin’ny sisin’i Jordania, tamin’ny taona 18 H tamin’ny fitondran’i Omar bin Al-Khattab.