Skip to content

أم كلثوم بنت نبينا محمد بن عبد الله القرشية الهاشمية

الإسم

Omm Kolthòm, zanakavavin'ny Mpaminan-tsika Mohammad bin Abdillah Al-Korashi Al-Hàshimia

اسم الشهرة

Omm Kolthòm - Fifalian'Allah anie ho azy -

نبذة مختصرة

Omm Kolthòm, zanakavavin'ny olom-boafidy, Mpaminany Mohammad bin Abdillah bin Abd Al- Mottalib - S.A.W - Koraisita Hashimita, ary ny reniny dia Khadija bint Khowaylid, novadian'i O'tbat Ibn Abi Lahab izy talohan'ny faminaniana, ka rehefa voatendry ho Iraka i Mpaminany (S.A.W) - ary nidina tamin'i Abo Lahab ilay andininy masina (Ho potehina ny tànana anakiroan'i Abo Lahab)", dia niteny taminy ny rainy Abo Lahab hoe : saraho izy ary tsy mbola niaraka taminy akory, ka nandao azy izy ary tsy nanao firaisana taminy, ka nijanona tany Lameka niaraka tamin-drainy - S.A.W - ary niditra Islam izy rehefa niditra islam ny reniny, ary nanao fanekena tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy niaraka tamin'ireo rahavaviny rehefa nanao fanekena izy ireo, ary nifindra monina tany Madina izy, ary nijanona tao, ary rehefa maty i Rokayyah, zanakavavin'ny Mpaminany - S.A.W - dia nampanambadian'ny Mpaminany (S.A.W) an'i O'thmàn bin A'ffàn tamin'ny volana Rabi'ol-Awwal tamin'ny taona fahatelon'ny Hijra, Nanambady azy tamin'ity taona ity izy tamin'ny Jomada al-Akhirah, ary nijanona niaraka taminy mandra-pahafatiny tamin'ny taona 9 ary tsy niteraka .

المراجع

Ny Fanampiny (1)
الطبقات الكبرى (8/30)، معرفة الصحابة لأبي نعيم (6/3198)، أسد الغابة في معرفة الصحابة (7/374)، الأعلام للزركلي (5/231).