"Tsy misy mpino silamo roa mifanena sy mifandray tànana afa-tsy hoe mahazo famelan-keloka alohan'ny hisaran'izy roa."
Tatitra azo avy amin'i Barra (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy misy mpino silamo roa mifanena sy mifandray tànana afa-tsy hoe mahazo famelan-keloka alohan'ny hisaran'izy roa."
«مَا مِنْ مُسْلِمَيْنِ يَلْتَقِيَانِ فَيَتَصَافَحَانِ إِلَّا غُفِرَ لَهُمَا قَبْلَ أَنْ يَفْتَرِقَا».
Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) : Raha misy mpino silamo roa mifanena amin'ny làlana na ny toy izany, ka miarahaba ny iray amin'ny fifanomezan-tànana ny iray hafa, dia havela ny helok'izy roa alohan'ny hisarahan'izy roa ara-batana na rehefa nanala ny tànany.
Tsaratsara ny mifandray tànana rehefa mifanena, ary famporisihana amin'izany.
Hoy i Al-Manawi : Tsy azo ny fahasoavan'ny Sonnah raha tsy amin'ny fametrahana ny tànana havanana eo amin'ny tànana havanana, raha tsy misy fialan-tsiny.
Famporisihana hanaparitaka ny fiarahabana, ary fanazavana lehibe momba ny valisoa azon'ny mpino silamo nifandray tànana tamin'ny rahalahiny silamo.
Navahana amin'ny hadith ny fifandraisan-tànana voarara, toy ny fifanomezan-tànana amin'ny vehivavy vahiny.
Sonan Abo Daòd (7/ 502) (5212).
Sonan At-Tirmizì (4/ 447) (2727).
Sonan Ibn Màjah (4/ 654) (3703).
Mosnad Ahmad (30/ 517) (18547).
Ny Fanampiny (4)
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (2/ 152).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (1/ 680).