Skip to content

Niteny ny Mpaminany (S.A.W) momba ireo Ansar : “Tsy azo lazaina afa-tsy mpino ny mitia azy ireo, ary tsy azo lazaina afa-tsy mpihatsaravelatsihy ny mankahalana azy ireo, izay tia azy ireo dia ho tia azy Allah ary izay mankahala azy dia ho halan’i Allah koa”.

Tatitra azo azo tamin'i Al-Baraa'i (R.A) :

Niteny ny Mpaminany (S.A.W) momba ireo Ansar : “Tsy azo lazaina afa-tsy mpino ny mitia azy ireo, ary tsy azo lazaina afa-tsy mpihatsaravelatsihy ny mankahalana azy ireo, izay tia azy ireo dia ho tia azy Allah ary izay mankahala azy dia ho halan’i Allah koa”.

عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ أَنَّهُ قَالَ فِي الْأَنْصَارِ: «لَا يُحِبُّهُمْ إِلَّا مُؤْمِنٌ، وَلَا يُبْغِضُهُمْ إِلَّا مُنَافِقٌ، مَنْ أَحَبَّهُمْ أَحَبَّهُ اللهُ وَمَنْ أَبْغَضَهُمْ أَبْغَضَهُ اللهُ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa mariky ny finoana tonga lafatra ny fitiavana ny Ansar mponin'i Medina. Izany dia noho izy ireo ny nialohalalana amin'ny fanohanana ny finoana silamo sy ny Mpaminany, ary ny fiezahany hiaro ny mpino silamo, sy ny fanomezana ny volany sy ny ainy ho an'I Allah, ary ny fankahalana azy ireo dia mariky ny fihatsarambelatsihy. Avy eo nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay tia ny Ansar dia ho tia azy Allah, ary izay mankahala azy ireo dia mankahala azy Allah.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Amin'izany dia ahitana valisoa lehibe ho an’ny Ansar, satria mariky ny finoana sy fanafahana amin’ny fihatsarambelatsihy ny fitiavana azy.

Ny fitiavana sakaizan’i Allah sy ny fanohanana azy ireo dia antony iray itiavan’I Allah ny mpanompo.

Toeram-boninahitra ananan'ireo nanaraka ny finoana silamo tany am-piandohana.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (5/ 32) (3783).

Sahìh Moslim (1/ 85) (75).

Ny Fanampiny (9)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 447).

تطريز رياض الصالحين.

لفيصل آل مبارك (ص257).

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (6/ 258).

شرح النووي على مسلم (2/ 63).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

مجموعة من الباحثين (1/ 350).