Skip to content

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao ozò isaky ny soalat

Tatitra azo avy tamin'i Àmrou bin Àmir, Tatitra azo avy tamin'i Annas bin Màlik niteny manao hoe :

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao ozò isaky ny soalat Hoy aho hoe : Ahoana no nataonareo? Hoy izy : Ampy ho an'ny iray amintsika ny ozò anakiray raha mbola tsy namoaka loto.

كَانَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَتَوَضَّأُ عِنْدَ كُلِّ صَلَاةٍ، قُلْتُ: كَيْفَ كُنْتُمْ تَصْنَعُونَ؟ قَالَ: يُجْزِئُ أَحَدَنَا الْوُضُوءُ مَا لَمْ يُحْدِثْ.

Notantarain’i Bokhari
Mari-pototra
Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia manao ouzò tsy tapaka isaky ny hanao soalat tsy maintsy atao na dia mbola tsy tapaka aza ny ouzò nataony; Izany dia mba hahazoana valisoa sy hatsarana. Azony atao ny manao soalat maromaro amin'ny ozò iray raha ohatra ka tsy mbola tapaka.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny mahazatra indrindra ataon'ny Mpaminany (S.A.W) dia ny ozò isaky ny manao soalat, ho fitadiavana ny fahafenoana.

Amporisihina ny manao ozò isaky ny soalat.

Azo atao ny manao soalat mihoatra ny iray miaraka amin'ny ouzò iray.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (1/ 53) (214).

Ny Fanampiny (2)

شرح ابن بطّال (1/321).

إرشاد الساري لشرح صحيح البخاري (1/ 285).