Skip to content

“Izay nitondra zava-baovao ato amin’ity raharahantsika ity, izay tsy ao anatiny dia ho lavina

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Izay nitondra zava-baovao ato amin’ity raharahantsika ity, izay tsy ao anatiny dia ho lavina izany.” Nifanarahana. Araka ny voalazan'ny Mouslim : "Izay manao asa fanompoana tsy araka ny didinay dia ho lavina izany."

«مَنْ أَحْدَثَ فِي أَمْرِنَا هَذَا مَا لَيْسَ فِيهِ فَهُوَ رَدٌّ» متفق عليه. ولمسلم: «مَنْ عَمِلَ عَمَلًا لَيْسَ عَلَيْهِ أَمْرُنَا فَهُوَ رَدٌّ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay mamorona zavatra amin'ny finoana na manao zavatra tsy misy porofo avy amin'ny CORAN sy ny Sonnât dia haverina any amin'ny tompony izany ary tsy ho raisin'i Allah.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny fanompoam-pivavahana dia mifototra amin’izay voalaza ao amin’ny boky masina CORAN sy ny Sonnât, ka tsy manompo amin’I Allah isika raha tsy araka izay didy nomeny, fa tsy amin’ny forona sy ny zava-baovao.

Ny finoana dia tsy mifototra amin'ny hevitra sy ny mahafinaritra, fa amin'ny fanarahana ny irak'i Allah (S.A.W).

Ity Hadith ity dia porofo amin'ny maha feno ny finoana.

Ny forona dia ny zavatra rehetra nampidirina tao amin'ny finoana izay tsy nisy tamin'ny andron'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny mpiara-dia aminy, eo amin'ny lafiny foto-pinoana na amin'ny fiteny na amin'ny asa.

Ity hadith ity dia iray amin'ireo fototry ny finoana silamo ary toy ny mizana fandanjana ny asa, tahaka ny asa rehetra izay tsy natao noho I Allah dia tsy misy valisoa ho an'izay manao izany, toy izany koa ny asa rehetra izay tsy mifanaraka tamin'izay nentin'ny irak'Allah (S.A.W) dia haverina amin'izay manao izany.

Ny zava-baovao voarara dia raharaha mifandraika amin'ny finoana fa tsy amin'ny raharaham-piainana.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (3/ 184) (2697).

Sahìh Moslim (3/ 1343) (1718).

Ny Fanampiny (5)

التحفة الربانية في شرح الأربعين حديثًا النووية (ص16).

شرح الأربعين النووية.

لابن عثيمين (ص96).

فتح القوي المتين في شرح الأربعين وتتمة الخمسين.

للعباد (ص38).