Skip to content

"Madio ny ranony, ary azo hanina ny hazandrano maty ao".

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny :

Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Ry irak'Allah ô, mandeha an-dranomasina izahay, ary mitondra rano kely miaraka aminay, ka raha manao ozo amin' izany izahay dia hangetaheta, ka afaka manao ozo amin'ny ranomasina ve izahay? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Madio ny ranony, ary azo hanina ny hazandrano maty ao".

سَأَلَ رَجُلٌ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ، إِنَّا نَرْكَبُ البَحْرَ، وَنَحْمِلُ مَعَنَا القَلِيلَ مِنَ الْمَاءِ، فَإِنْ تَوَضَّأْنَا بِهِ عَطِشْنَا، أَفَنَتَوَضَّأُ مِنَ الْبَحْرِ؟ فَقَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «هُوَ الطَّهُورُ مَاؤُهُ، الحِلُّ مَيْتَتُهُ».

Notantarain'i Abo Daòd sy Tirmizi sy Nasày sy Ibno Màdjah ary Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : Miondrana an-tsambo eny an-dranomasina izahay mba hanaratoana na hanao varotra sy ny toy izany, ary mitondra rano fisotro kely izahay, ka raha ampiasainay ho an’ny fanaovana ozo sy fanadiovana dia ho lany ary tsy mahita rano hosotroina, ka azo atao ve ny manao ozo amin'ny ranomasina? Hoy i Mpaminany (S.A.W) momba ny ranon-dranomasina : Madio sy manadio ny ranony, Azo atao ny manadio sy mandro amin’izany, ary azo atao koa ny mihinana izay mivoaka avy ao, toy ny trondro, trozona, sns, na dia hita faty aza ka nitsinkafona teo an-damosiny nefa tsy nihaza.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny fatin’ny biby an-dranomasina dia azo hanina, ary ny atao hoe biby maty dia ny biby maty ao anatiny izay tsy afaka miaina afa-tsy ao anatiny.

Famaliana ny mpanontany amin'ny valiny mihoatra ny nangatahany mba hamenoana ny tombontsoa.

Raha miova ny tsirony, ny lokony na ny fofony amin’ny zavatra madio ny rano, dia mitoetra ho madio izy raha mbola mitoetra ho rano amin’ny tena toetrany, na dia mitombo aza ny sira, ny hafanana, ny hatsiaka ary ny toy izany.

Ny ranomasina dia manala ny loto lehibe sy madinidinika, ary manala ny loto (najisy) izay mitranga amin'ny olona madio, na amin'ny vatana, na amin'ny akanjo, na amin'ny zavatra hafa.

Loharano iverenana

Sonan Abo Daòd (1/ 62) (83).

Sonan At-Tirmizì (1/ 111) (69).

Sonan An-Nasàì (1/ 50) (59).

Sonan Ibn Màjah (1/ 250) (386).

Mosnad Ahmad (12/ 171) (7233).

Ny Fanampiny (6)

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (1/ 28).

فتح ذي الجلال والإكرام بشرح بلوغ المرام.

لابن عثيمين (1/ 59).

توضيح الأحكام شرح بلوغ المرام.

لعبد الله البسام (1/ 116).