"Izay mankany amin'ny moske amin'ny maraina na amin'ny fialan-tsasatra, dia hanomanan'I Allah trano ao amin'ny Paradisa ho azy, isaky ny mandeha maraina na miala sasatra izy."
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay mankany amin'ny moske amin'ny maraina na amin'ny fialan-tsasatra, dia hanomanan'I Allah trano ao amin'ny Paradisa ho azy, isaky ny mandeha maraina na miala sasatra izy."
«مَنْ غَدَا إِلَى الْمَسْجِدِ أَوْ رَاحَ أَعَدَّ اللهُ لَهُ فِي الْجَنَّةِ نُزُلًا، كُلَّمَا غَدَا أَوْ رَاحَ».
Nanome vaovao mahafaly i Mpaminany (S.A.W) ho an'izay tonga tao amin'ny moske hamonjy ny fanompoam-pivavahana, fahalalana, na tanjona tsara hafa amin'ny fotoana rehetra; amin'ny fiandohan'ny andro na amin'ny fiafaran'ny andro dia Allah nanomana toerana sy fampiantranoana ho azy ao amin'ny Paradisa, isaky ny tonga ao amin'ny moske izy, na andro na alina.
Ny hasin’ny fandehanana any amin’ny moske, sy ny famporisihana hihazona ny swalat amin'ny mosquée, efa firy ny valisoa izay very tamin'ireo mpanao tsinotsinona ny moske ary ny fampiantranoana izay ampanantenain’I Allah ho an’izay mandeha any an-tranony.
Raha manaja izay tonga ao an-tranony ny olona ka manolotra sakafo ho azy, dia Allah malala-tànana mihoatra noho ny zavaboariny! Na zovy na zovy no ho any an-tranony, dia hanome voninahitra azy, ary Allah hanomana trano fandraisam-bahiny lehibe sady ngeza ho azy.
Ny hafaliana sy ny firavoravoana amin'ny fandehanana any amin'ny moske; Satria misy trano hitokana ho azy isa-maraina na hariva, arakaraka ny isan’ny diany.
Sahìh Al-Bokhari (1/ 133) (662).
Sahìh Moslim (1/ 463) (669).
Ny Fanampiny (6)
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (1/ 153).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (2/ 166).
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (1/ 204).