" Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo ".
Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Amrou Ibn Al-Aasi (R.A), fa Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
" Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo ".
«إِنَّ الْإِيمَانَ لَيَخْلَقُ فِي جَوْفِ أَحَدِكُمْ كَمَا يَخْلَقُ الثَّوْبُ الْخَلِقُ، فَاسْأَلُوا اللَّهَ أَنْ يُجَدِّدَ الْإِيمَانَ فِي قُلُوبِكُمْ».
Milaza sy mampafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'ny Mpino iray ary mihamarefo sy malemy tahaka ny lamba vao iray rehefa efa ela dia ela ny nampiasaina azy; Ary izany dia noho ny tsy fahampian'ny fanompoana, na koa vokatrin'ny fanatanterana ireo fahotana ary ny filomanosana ao anaty fahafinaretana. Nanome toromarika Antsika i Mpaminany (S.A.W) mba hangataka amin’i Allah ny mba hanavao ny finoantsika, amin’ny fanaovana sy fanatanterahana an'ireo didy, sy ny fahatsiarovana Azy matetika ary ny fangatahana famelan-keloka Aminy.
...:
Famporisihana ny mba hangataka amin’i Allah ny mba hanamafisany fatratra ny fiorenana sy hanavaozany ny finoana ao Am-po.
Ny finoana dia teny sy asa ary fitokisana, mitombo amin'ny alàlan'ny fankatoavana ary mihena amin'ny fahotana.
Ny Fanampiny (7)
المستدرك على الصحيحين للحاكم (1/ 45) (5).
المعجم الكبير للطبراني (13/ 36) (84).
النهاية في غريب الحديث والأثر.
ص(282).
النهاية (1/316).
فيض القدير (2/323).
التنوير شرح الجامع الصغير (3/434).
Cited in books
2 BooksNy Fanampiny (2)
- الخطب المنبريةموسوعة الخطب المنبرية (القسم الأول)«إِنَّ الإِيمَانَ لَيَخْلُقُ فِي جَوْفِ أَحَدِكُمْ كَمَا يَخْلُقُ الثَّوْبُ؛ فَاسْأَلُوا اللَّهَ أَنْ يُجَدِّدَ الإِيمَانَ فِي قُلُوبِكُمْ»
- الخطب المنبريةموسوعة الخطب المنبرية (القسم الأول)«إِنَّ الإِيمَانَ لَيَخْلُقُ فِي جَوْفِ أَحَدِكُمْ كَمَا يَخْلُقُ الثَّوْبُ؛ فَاسْأَلُوا اللهَ أَنْ يُجَدِّدَ الإِيمَانَ فِي قُلُوبِكُمْ»