Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

6 of 665 cards

Clear filters
“ Teny roa maivana amin’ny lela, nefany tena mavesa-danja eo amin’ny mizana (vato-fandajana), ary tian’Ilay Be famindrampo: (Sobohànalloàhy wa Bihamdihÿ Sobohànalloahil- Andhìmo) Voninahitra anie ho an’i Tompo Allah Lehibe, Voninahitra ho an’i Tompo Allah ary ho Azy ny Dera ”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny : LA ILAHA ILLA-LLWAHO (Tsy misy tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah), ary ny fangatahana sy fitalahoana tsara indrindra dia ny : AL-HAMDO LILLAHI (Fisaorana sy fankasitrahana ary fiderana an'i Tompo Allah) ".
Tsara Notantarain'i Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ibn Màjah
"Ny fitenenana Soubohànalloàhi, wale-hamdou Lillàhy, walà ilàha illal-làhoU, wallàho Akbaro, dia tiako lavitra mihoatrany andro niposahan'ny masoandro".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Izay miteny hoe : Izaho manaiky an’Allah ho Tompoko, ny finoana Silamo ho fivavahako, ary i Mohamad ho iraka, dia azo antoka ho azy ny Paradisa”.
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd
"Ny Teny tena Tian'i Tompo Allah indrindra dia misy Efatra : Voninahitra anie ho an'i Tompo Allah (Sobohànalloahy),fiderana anie hoan'i Tompo Allah (Alhamdo lillàhy), tsy misy Andriamanitra afa-tsy i Tompo Allah (Là ilàha illalloàhou), ary lehibe indrindra i Tompo Allah (Allah Akbar), tsy maninona na inona na inona amin’ireo no atombokao voalohany. "
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Tsy nipetrapetraka ny vahoaka iray tamin’ny fivoriana izay tsy nanononany n'y anaran’I Allah na tsy nivavaka ho an’ny mpaminaniny, afa-tsy hoe faty antoka ho azy ireo izany, ka raha sitrak'Allah dia ho saziny ary raha tiany dia hamela azy ireo Izy .”
Mari-pototra Notaterin'i Abou Daòudou sy Tirmizi ary Nasày Ao amin'ny Kobra