Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

5 of 665 cards

Clear filters
I irak'Allah (S.A.W) dia niteny tamin'ny fiankohofany hoe : "Allah ô, mamelà ny fahotako rehetra, madinika sy lehibe, ny voalohany sy ny farany, ary ny ampahibemaso sy ny miafina."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Ry olombelona, ​​mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Allah ô! Tsy milavolefona aho afa-tsy Aminao, sy Ianao ihany no inoako, Ianao ihany no itokiako, Ianao ihany no iverenako (ibebahako) ary noho Ianao ihany no iadiako. Allah ô! mitady fiarovana amin'ny Voninahitrao, tsy misy Tompo marina afa-tsy Ianao, mba tsy havilinao làlana aho; Ianao no ilay Velona tsy mba maty, ny Djiny sy ny olombelona dia ho faty avokoa".
Mari-pototra Nifanekena, ary ity dia arakan'ny fomba voalaza ao amin'ny Moslim, ary notaterin'i Bokhari nohafohezina.
“Rehefa miditra ny tranony ny olona iray ka manonona ny anaran’Allah eo am-pidirana sy eo am-pihinanana, dia holazain’i Satana hoe : Tsy manana toerana hatoriana ianareo na hisakafoanana ny alina. Fa raha niditra ny trano ka tsy nanonona ny anaran'Allah, dia hoy i Satana : “Afaka matory ato ianaeo mandritry ny alina, ary raha tsy nanonona ny anaran’Allah teo am-pisakafoana izy, dia hoy satana : “Afaka matory ato ianareo ary afaka misakafo hariva”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nisy lehilay arabo tambanivolo iray tonga teo amin’ny Irak’Allah (S.AW) niteny hoe : “Ampianaro zavatra hoteneniko aho.” Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy : «Teneno hoe : Là ilàha Illallàho Wahdahò Là sharìka lahò, Allaho Akbar Kabìra', Walhamdo lillàhi Kathìran, Sobhànallàhi Rabbil-a'lamìna, La hawla walà-qowwata illà billàhil-A'zizol-Hakìm, izay midika hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiombona aminy, Allah no lehibe indrindra, dera betsaka ho an'Allah, dera ho an'Allah tompon'izao tontolo izao, Tsy misy hery na tanjaka afa-tsy amin’Allah, Ilay Mahery sy Hendry” Dia hoy ilay tambanivolo : Ho an’ny tompoko ireo rehetra ireo, ka inona no mba ho ahy? Dia hoy Mpaminany (S.A.W) : “Teneno : Allahommaghfirli Warhamnì wahdinì warzoqnì. Izay midika hoe : Allah ô, mamelà ny heloko, mamindrà fo amiko, tariho aho, ary omeo anjara aho.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim