حاطب بن أبي بلتعة اللخمي
الإسم
Hàtib bin Abi Balta'a Al-Lakhmi
اسم الشهرة
Hàtib bin Abi Balta'a
نبذة مختصرة
Hàtib bin Abi Balta'ah bin A'mro bin O'mair bin Salamah Al-Lakhmi, mpiara-miasa amin'i Bano Asad bin Abdol Ozzat, dia nanaiky ny olona rehetra fa nanatri-maso ny ady masina Badr izy, ary voalaza ao amin'ny Sonnah fa tonga ny andevon'i Hàtib bin Abi Balta'ah nitaraina momba an'i Hàtib ka niteny hoe : Ry irak'Allah ô, Enga anie hiditra ao anaty afobe i Hàtib. Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Tsia, satria nanatri-maso ady masina Badr sy Al-Hodaybiyyah izy.” Hoy i Hàtib : “Mianiana amin'Allah aho fa tsy nisalasala momba an'Allah hatramin’ny nidirako tamin'ny finoana Islam, saingy vahiny aho, ary manan-janakalahy sy rahalahy any Lameka aho. Nambarany izany ho fialan-tsininy tamin’ny fandefasana taratasy tamin’ny mponin’i Lameka izay nampahafantatra azy ireo momban'ny fanafihan’ny Mpaminany (S.A.W) azy ireo, ary tao anatin’izany no nanambarana ny tenin’Allah Tsitoha : (O ianareo izay nino, aza raisina ho sakaiza ny fahavaloko sy ny fahavalonao) maty tamin'ny taona 30 izy.