حذيفة بن حسل بن جابر العبسي
الإسم
Hodhaifah bin Hasal bin Jàbir Al-A'bsi
اسم الشهرة
Hodhayfah bin Al-Yamàn - Ho faly aminy anie Allah -
نبذة مختصرة
Hodhayfah bin Al-Yamàn Al-A'bsi, naratra rainy ka nandositra nankany Madina, ka niray tsikombakomba tamin’i Bano Abd Al-Ash-hal, ka nanome anarana ny vahoakany hoe Al-Yamàn , satria efa nianiana tamin’i Al-Yaman izy, ary nanambady ny renin'i Hodhaifah, ary niteraka zazalahy tao Madina, ary i Hodhayfah sy ny rainy dia niditra ho Islam, ary i Hodhaifah dia nanatri-maso ny ady masina Al-Khandaq sy izay tonga taorian'izany, Nampiasa azy i Omar tao Al-Madàin, ary nijanona tao izy mandra-pahafatiny efapolo andro taorian'ny namonoana an'i Othman sy taorian'ny fanekem-pitokisana tamin'i Ali, ary tao amin'ireo boky Sahih roa dia hoy i Abo Dardà tamin'i Alqamah : Moa tsy misy eo aminareo ve ny tompon'ny tsiambaratelo izay tsy misy mahafantatra ankoatra azy? Ny tiako holazaina dia i Hodhayfah, ary ao amin'izy roa ireo dia voalaza fa nanontany an'i Hodhayfah i Omar momba ny korontana sy ny ady, ary i Hodhayfah dia nanatri-maso ny fandresena tamin'ny fahazoana tanànan'ny Irak, ary maty tamin'ny taona 36.