جندب بن جنادة بن سفيان بن عبيد الغفاري
الإسم
Jondob bin Jonàdat bin Sofyàn bin O'baid Al-Ghifàrì
اسم الشهرة
Abo Dhar al-Ghifàrì - ho faly aminy anie Allah (R.A) -
نبذة مختصرة
I Abo Dhar al-Ghifàrì Jondob ibn Jonàdat no ahafantaran'ny maro azy amin'ny anarany, mpanaraida lehibe, tamin'ny fidirany Islam dia voalaza hoe : ny fahefatra amin'ny efatra, ary voalaza hoe : fahadimy amin'ny dimy, Izy no voalohany niarahaba ny Mpaminany - S.A.W - tamin'ny fiarahaban'ny finoana Islam, niditra tao amin'ny Mpaminany - S.AW - ary nandre izay nolazainy izy, dia niova ho mpanaraka finoana Islam ary hoy ny Mpaminany taminy : “Miverena any amin’ny vahoakanao anao, ka ampandreneso azy mandra-pahatongany any aminao ny didiko”, hoy izy : “Mianiana amin'ilay mitazona ny fofon'aiko eo am-pelatanany, hiantsoantso mafy aho eo anatrehan’izy ireo.” Dia nivoaka izy mandra-pahatongany tao amin’ny moske ary niantso tamin’ny feo avo hoe : “Mijoro vavolombelona aho fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad no mpanompony sy iraka avy Aminy”. Noho izany dia nitsangana teo anatrehany ny olona ary nikapoka azy mandra-pahaleminy, ary i Mpaminany – S.A.W – manomboka amin'i Abo Dhar rehefa manatria eo ary mitady azy raha sendra tsy tonga, Maty izy tamin’ny taona 32.