أويس بن عامر بن جزء بن مالك القرني
الإسم
Owais bin A'mir bin Joz bin Màlik Al-karnì
اسم الشهرة
Owais Al-karnì
نبذة مختصرة
I Abo Amro Owais bin A'mir bin Joz bin Màlik Al-karnì, mpandimby ireo mpanara-dia ary mendri-kaja, iray amin'ireo lehiben'ny Tàbi'ìna, ary iray amin'ireo mpivavavaka lehibe indrindra, avy any Yemen, nahatratra vanom-potoan'ny Mpaminany - S.A.W - fa tsy nahita azy, ka dia nivahiny tamin'i Omar bin Al-Khattàb izy ary nonina tao Kòfà avy eo, ary voaporofo fa izy no tsara indrindra tamin'ny Tàbi'ìna, araka ny voaporofo tamin'ny tenin'i Asìr bin Jàbir hoe : Rehefa tonga teo aminy i Omar bin Al-Khattab nitondra vatsy avy amin'ny mponin'i Yemen - izany hoe ireo vondron'ny miaramila izay manohana ny tafiky ny silamo amin'ny ady - dia nanontany azy ireo izy hoe : Moa ao aminareo ve i Owais bin A'mir? Mandra-pahatongany tany amin'i Owais ka niteny hoe : Ianao ve i Owais bin A'mir? Namaly izy : Eny, hoy izy : Avy any Moràd ary avy any karn? Namaly izy : Eny, dia hoy izy : Ka dia voan'ny habokana ianao ary sitrana tamin'izany, afa-tsy ny toerana iray dirham? Namaly izy : Eny, hoy izy : Manana reny ve ianao? Namaly izy : Eny, hoy izy, nandre ny irak’Allah aho – S.A.W – niteny hoe : “Ho avy any aminao i Owais bin A'mir mitondra vatsy avy amin’ny mponin’i Yemen, avy any Moràd, avy any karn, tratry ny habokana izy ka sitrana afa-tsy tamin’ny toeran’ny dirham iray, izay manana reny tena hajainy, raha mianiana amin’Allah izy dia handray izany, ka raha afaka mangataka famelan-keloka ho anao izy, dia ataovy izany". Koa mangatà famelan-keloka ho ahy ianao, dia nangataka famelan-keloka ho ahy izy, dia hoy i Omar taminy : Aiza no handehananao? Hoy izy : Any Kòfà, hoy i Omar : Tsy tokony hanoratra amin'ny governora ve aho? Hoy izy : Ny tsy fantatry ny olona no tiako kokoa. Hoy izy : Tamin’ny taona nanaraka, dia nisy lehilahy iray avy amin’ny olo-manan-kajany nanao Hajj, dia noeken'i Omar, ka nanontany azy momba an’i Owais izy dia namaly izy : Navelako tao an-trano izy ary tsy nanana fananana firy avy amin’Allah – Niteny izy hoe : Nandre ny irak’Allah o – S.A.W – niteny hoe : “Ho avy any aminao i Owais bin A'mir mitondra vatsy avy amin’ny mponin’i Yemen, avy any Moràd, avy any karn, tratry ny habokana izy ka sitrana afa-tsy tamin’ny toeran’ny dirham iray, izay manana reny tena hajainy, raha mianiana amin’Allah izy dia hanaja izany, ka raha afaka mangataka famelan-keloka ho anao izy, dia ataovy izany". Dia tonga tany amin'i Owais izy niteny hoe : Mangataha famelan-keloka ho ahy ianao, Nandeha tamin'ny dia tsara ianao, ka mangataha famelan-keloka ho ahy. Hoy hoy i Owais : Nihaona tamin'i Omar ve ianao? Hoy izy : Eny, ka nangataka famelan-keloka ho azy i Owais, ary fantatry ny olona ny momba azy, dia namelatra ny tavany izy ka niteny hoe : Nosaronako lamba izy, ka isaky ny misy olona mahita azy dia miteny : Taiza no nahazoan’i Owais an’izany akanjo izany? Maty tamin'ny taona 37 izy.