Skip to content

“Rehefa misy ny razana ka entin’ny lehilahy eo am-bozon’izy ireo izany, dia raha olona mpanao soa izy, dia hilaza hoe : Ento mandroso haingana aho,

Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe :

“Rehefa misy ny razana ka entin’ny lehilahy eo am-bozon’izy ireo izany, dia raha olona mpanao soa izy, dia hilaza hoe : Ento mandroso haingana aho, ary raha tsy olona tsara izy, dia hilaza hoe : O! Loza ho azy, ho entinareo ho aiza izy? Mandre ny feony ny zavatra rehetra afa-tsy ny olona, ​​ary raha mandre azy izy, dia ho torana.

«إِذَا وُضِعَتِ الجِنَازَةُ وَاحْتَمَلَهَا الرِّجَالُ عَلَى أَعْنَاقِهِمْ فَإِنْ كَانَتْ صَالِحَةً قَالَتْ: قَدِّمُونِي، وَإِنْ كَانَتْ غَيْرَ صَالِحَةٍ قَالَتْ: يَا وَيْلَهَا أَيْنَ يَذْهَبُونَ بِهَا؟ يَسْمَعُ صَوْتَهَا كُلُّ شَيْءٍ إِلَّا الإِنْسَانَ، وَلَوْ سَمِعَهُ صَعِقَ».

Notantarain’i Bokhari
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa raha napetraka teo am-pandriana ny razana iray, ary nentin'ireo lehilahy teo amin'ny vozony izany, dia raha olona mpanao ny marina izy, dia hiteny hoe : Ento aho ho amin'ny fahasambarana izay hitany eo anatrehany, ary raha tsy olona marina izy, dia hiantsoantso mafy hoe : Indrisy, ny fandringanana ho ahy, ho entina aiza aho? Noho ny fampijaliana hitany eo anoloany, dia mandre ny feony avokoa ny rehetra afa-tsy ny olona, ​​ary raha nandre izany izy, dia ho torana noho ny hamafin’ny zavatra reny.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny olona maty mpanao ny marina dia mahita vaovao tsara alohan’ny handevenana azy, fa ny tsy mpino kosa dia taitra ka mahita ny mifanohitra amin’izany.

Mety ho ren’ny zavatra hafa ankoatry ny olombelona ny feo sasany, fa tsy ren’ny olombelona.

Ny Sonnah dia ny mitondra ny razana eo amin'ny vozon'ny lehilahy fa tsy ny vehivavy. Satria nandrara ny vehivavy tsy hanaraka izany ny Mpaminany (S.A.W).

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (2/ 85) (1314).

Ny Fanampiny (8)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 513).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (1/ 400).

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (7/ 122).

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (4/ 546).