Nahita lehilahy iray nivavaka irery tao ambadiky ny filaharana ny irak'Allah (S.A.W) ka nasainy namerina ny vavaka nataony ilay lehilahy.
Tatitra azo avy amin'i Wasib (R.A) :
Nahita lehilahy iray nivavaka irery tao ambadiky ny filaharana ny irak'Allah (S.A.W) ka nasainy namerina ny vavaka nataony ilay lehilahy.
أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ رَأَى رَجُلًا صَلَّى وَحْدَهُ خَلْفَ الصَّفِّ، فَأَمَرَهُ أَنْ يُعِيدَ صَلَاتَهُ.
Nahita lehilahy iray nivavaka irery tao ambadiky ny filaharana ny Mpaminany (S.A.W), ka nasainy namerina ny vavaka nataony. Satria tsy mitombina ny vavaka nataony tamin’io fotoana io.
Famporisihana ho tonga aloha amin’ny vavaka miaraka sy hirosoana amin’izany, ary tsy hivavaka irery ao ambadiky ny laharan’ny vavaka mba tsy hahatonga ny fivavahany ho tsy manan-kery.
Hoy I Ibn Hajar : Izay manomboka ny vavaka irery ao ambadiky ny laharana ary avy eo mikambana amin'ny filaharana alohan'ny hitsanganana amin'ny fiankohofana dia tsy voatery hamerina izany, toy ny ao amin'ny hadith Abo Bakra, raha tsy izany dia tsy maintsy manaraka ny hevitry ny hadith amin'ny ankapobeny izay noentin'i Wabisa.
Sonan Abo Daòd (2/ 18) (682).
Sonan At-Tirmizì (1/ 268) (230).
Sonan Ibn Màjah (2/ 137) (1004).
Mosnad Ahmad (29/ 524) (18000).
Ny Fanampiny (6)
سبل السلام شرح بلوغ المرام.
لمحمد الصنعاني (1/ 378).
توضيح الأحكام مِن بلوغ المرام.
لعبد الله البسام (2/ 509).
فتح ذي الجلال والإكرام شرح بلوغ المرام.
لابن عثيمين (2/ 288).