Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

4 of 665 cards

Clear filters
“Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve ianareo, raha mampiakatra ny lohany alohan'ny Imam, ka hataon’Allah ho lohan’ny apondra ny lohany, na hataon’Allah tahaka ny apondra ny endriny.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ahitsio ny filaharanareo, fa ny fahitsian'ny filaharana anisan'ny mahatomombana ny fivavahana Swalat."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Rehefa hivavaka ianareo dia ahitsio ny filaharanareo, ary aoka hitarika anareo ny iray aminareo, ka raha miteny izy hoe “Allaho Akbar” dia mitenena koa ianareo hoe “Allaho Akbar”, Ary raha niteny Izy hoe : “Ghairil- Maghdhôbi A'laihim Walà Dhàlìn” [Al-Fatihah: 7] ka mitenena avy hatrany ianareo hoe : Àmìne, hamaly anareo Allah, ka rehefa miteny hoe “Allaho Akbar” izy ka miondrika dia mitenena hoe “Allaho Akbar” ary mihondreha ihany koa ianareo, fa miondrika sy mitraka alohanareo ny imam. Dia hoy ny irak’Allah (S.A.W ): “Ka hoatran'izany foana foana", ary rehefa miteny izy hoe : "Samiallaho liman hamidah", dia lazao hoe : Allahomma Rabbanà Walakal-hamdo, dia maheno anao Allah. Satria Allah niteny tamin'ny lelan'ny Mpaminaniny hoe : Allah dia maheno izay midera Azy. Ary rehefa miteny izy hoe "Allaho Akbar" sy miankohoka dia mitenena : "Allaho Akbar" ary miankohofa ianareo, fa miankohoka sy mitsangana alohanareo ny Imam.” Dia hoy ny irak’Allah (S.A.W) : “tahaka izany foana foana", ary rehafa eo amin'ny fipetrahana famaranana, dia aoka ny iray aminareo hanomboka ny teniny manao hoe: "Attahiyato Lillahi waswalawato watwaybato; Assalamo a'laika ayohan Nabiyo warahmatollahi wabarakàtoho. Assalàmo alaina wa a'là Ibadillahi soalihina. Ash'hado An là 'ilaha illallaho wa Ash'hado anna Mohammadan abdohò warasòlohò".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nahita lehilahy iray nivavaka irery tao ambadiky ny filaharana ny irak'Allah (S.A.W) ka nasainy namerina ny vavaka nataony ilay lehilahy.
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad