Skip to content

“Nihaona tamin’i Ibrahim aho tamin’ny alina nitondrana ahy tany an-danitra, dia hoy izy hoe : “Ry Mohammad, ampitao amin'ny vahoakanao ny fiarahabako azy ireo, ary lazao amin’izy ireo fa ny Paradisa dia tany lonaka sy rano mamy

Tatitra azo avy tamin'Ibn Massod (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Nihaona tamin’i Ibrahim aho tamin’ny alina nitondrana ahy tany an-danitra, dia hoy izy hoe : “Ry Mohammad, ampitao amin'ny vahoakanao ny fiarahabako azy ireo, ary lazao amin’izy ireo fa ny Paradisa dia tany lonaka sy rano mamy : “Ny fambolen-kazo ao aminy dia ny fitenenana Sobhanallah Walhamdoulillahi Walailaaha illallaho Wallaho Akbar".

«لَقِيتُ إِبْرَاهِيمَ لَيْلَةَ أُسْرِيَ بِي فَقَالَ: يَا مُحَمَّدُ، أَقْرِئْ أُمَّتَكَ مِنِّي السَّلاَمَ، وَأَخْبِرْهُمْ أَنَّ الجَنَّةَ طَيِّبَةُ التُّرْبَةِ عَذْبَةُ الْمَاءِ، وَأَنَّهَا قِيعَانٌ، وَأَنَّ غِرَاسَهَا سُبْحَانَ اللهِ وَالحَمْدُ لِلَّهِ وَلاَ إِلَهَ إِلاَّ اللَّهُ وَاللَّهُ أَكْبَرُ».

Notantarain'i Al-Tirmizì
Tsara miaraka amin'ny porofo hafa
Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa nihaona tamin'i Ibrahim (A.S) tamin'ny Israa Wal Mi'raj, ary hoy izy taminy : Ry Mohammad : Ampitao amin'ny vahoakanao ny fiarahabana avy amiko, ary ampahafantaro azy ireo fa ny Paradisa dia tany lonaka, rano mamy ary tsy misy masira ny ao aminy, ary malalaka sy lemaka ny Paradisa, tsy misy hazo, ary ny fambolena ao aminy dia amin’ny alàlan'ny teny tsara, ary ireny no asa tsara sisa tavela, dia ny : Sobhanallah Walhamdolillahi Walailaaha illallaho Wallaho Akbar, ary isaky ny miteny sy mamerina izany ny mpino silamo iray dia misy hazo nambolena ho azy ao amin’ny Paradisa.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Mamporisika ny fahatsiarovana tsy tapaka mba hampitomboana ny zavamaniry ao amin'ny Paradisa.

Maneho ny hatsaran'ny vahoaka silamo; satria nandefasan'i Ibrahim (A.S) fiarahabana manokana.

Namporisika ny vahoakan'i Mohammad (S.A.W) i Ibrahim mba hankamaro ny fahatsiarovana an'I Allah ilay Tsitoha.

Nilaza i At-Tibi: Ny Paradisa dia midadasika, ary avy eo Allah, noho ny fahasoavany, dia nampisy hazo sy lapa tao aminy araka ny asan’ireo mpanatanteraka asa. Ny mpiasa tsirairay dia manana zavatra manokana ho azy noho ny asany, ary avy eo Allah, rehefa nanamora ny asa izay nahariana azy mba hahazoana izany valisoa izany, dia nohamorainy izany ho toy ny mpamboly ireo hazo ireo.

Loharano iverenana

Sonan At-Tirmizì (5/ 455) (3462).

Ny Fanampiny (11)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين لسليم الهلالي (2/ 512).

الكاشف عن حقائق السنن (شرح المشكاة).

للطيبي (6/ 1831).

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (17/ 186).

مشكاة المصابيح.

للتبريزي (2/ 716).

مرعاة المفاتيح شرح مشكاة المصابيح.

للمباركفوري (7/ 476).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (2/ 985).