Skip to content

"Manaova Soalat mitsangana ianao, fa raha tsy vitanao izany dia mipetraha, ary raha tena tsy vitanao dia matoria".

Tatitra azo avy tamin'i Imran Ibn Houswain (R.A) niteny : Nanana hemoroida aho, ka nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny fanaovana Swalat, ka hoy izy:

"Manaova Soalat mitsangana ianao, fa raha tsy vitanao izany dia mipetraha, ary raha tena tsy vitanao dia matoria".

«صَلِّ قَائِمًا، فَإِنْ لَمْ تَسْتَطِعْ فَقَاعِدًا، فَإِنْ لَمْ تَسْتَطِعْ فَعَلَى جَنْبٍ».

Notantarain’i Bokhari
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny fototra amin'ny fnaovana Soalat dia ny fitsanganana, afa-tsy amin'ny fotoana tsy ahafahana manao izany dia mipetraka, fa rehefa tena tsy mahavita manao dia matoritory.

ireo dikan-teny

بواسير: جمع باسور، وهو ورم يصيب مقعدة الإنسان.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Tsy azo avela ny Swalat raha mbola ao ny saina, fa miovaova fomba fanaovana azy arakaraky ny fahavitanao azy.

Fanamaivanana sy fankamorana nomen'ny finoana Islam ho an'ny mpanompo iray hanao fanompoana arak'izay tratrany.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (2/ 48) (1117).

Ny Fanampiny (4)

توضيح الأحكام من بلوغ المرام.

لعبدالله البسام (2/ 322).

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (3/ 202).