العباس بن عبد المطلب بن هاشم
الإسم
Al-A'bbàs bin Abdol Mottalib bin Hàshim
اسم الشهرة
Abo Al-Fadl Al-A'bbàs bin Abdol Mottalib - Fifalian'Allah anie ho azy -
نبذة مختصرة
Abo Al-Fadl Al-A'bbàs bin Abdol Mottalib bin Hàshim bin Abd Manàf Al-Korashi Al-Hàshimi, mpanaradia lehibe, ary izy no dadatoan'ny Mpaminany (S.A.W), Teraka roa taona talohan'ny Mpaminany, ary nandritra ny andro talohan'ny silamo dia mpampisotro rano sy mpikarakara moske Al-Haram izy, ary nanatrika ny fanomezan-toky tamian'ny andron'ny A'kabat niaraka tamin'ny Ansar izy talohan'ny nidirany islam, ary izy nanatrika ny ady masina Badr niaraka tamin’ireo mpanompo sampy tao anaty faneriterena, ka voasambotra sy nanavotra ny tenany, ary nanavotra an’i A'kìl bin Abi Talib zana-drahalahiny, dia niverina tany Lameka, ary voalaza hoe : Niditra Islam izy ka nanafina izany tamin'ny vahoakany, ary izy tsy nitsahatra nanoratra tany amin'ny Mpaminany (S.A.W), ary dia nifindra monina taloha kelin'ny fandresena lehibe, nanatri-maso ny fandresena tamin'ny fahazoana tanànan'ny Lameka, ary nijoro tsara tamin'ny ady masina Honayn; ary niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay manisy ratsy an’i A'bbàs dia nanao ratsy ahy, satria ny dadatoan-dralehilahy dia mitovy amin'ny rainy", maty izy tamin’ny taona 32.