Skip to content

الرميصاء أو الغميصاء بنت ملحان الأنصارية

الإسم

Al-Romaisà na Al-Ghomaisà binti Milhàn Al-Ansariyyat

اسم الشهرة

Omm Solaim - ho faly aminy anie Allah -

نبذة مختصرة

I Omm Solaim binti Milhàn bin Khalid bin Zaid Al-Ansariyat, renin'i Anas sady rahavavin'i Omm Haràm, mpanaradia lehibe, dia nitatitra Hadith izy, nomena anaram-bositra hoe Al-Ghomaysà, ary voalaza koa hoe : Al-Romaysà, ny anarany kosa dia Sahlah, ary nisy nilaza hoe : Ramlat, ary voalaza koa : Romaitha, ary voalaza hoe : Anifa, ary misy milaza hoe : Malika. Voaporofo tamin'ny tatitr'i Anas tamin'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : (Niditra Paradisa aho ary nandre bitsibitsika, dia hoy aho : Iza izany? dia namaly izy ireo : I Al-Ghomaysà bint Milhàn, renin'i Anas bin Malik), ary i Mpaminany (S.A.W) tsy hiditra tao amin'ny trano iray tany Madina afa-tsy ny tranon'i Omm Solaim sy tranon'ireo vadiny, ka nilazana taminy, hoy izy : (Mamindra fo aminy aho, nisy namono ny anadahiny niaraka tamiko). Izy dia vadin'i Malik ibn al-Nadr tamin'ny vanom-potoana talohan'ny finoana Islam, ary niteraka an'i Anas izy, rehefa nentin'Allah taminy ny finoana Islam, dia niditra Islam izy niaraka tamin'ny vahoakany ary nanolotra ny finoana Islam tamin'ny vadiny ka tezitra mafy taminy ary nandeha tany Siria dia rendrika tany. Maty izy tamin'ny taona 30.

المراجع

Ny Fanampiny (1)
Sahìh Al-Bokhari (5/ 10 ح3679، 4/ 27 ح2844)، صحيح مسلم (4/ 1908 ح2456، 4/ 1908 ح2455)، الطبقات الكبرى (8/ 312)، فضائل الصحابة للنسائي (ص: 85)، معجم الصحابة للبغوي (1/ 43)، الجرح والتعديل لابن أبي حاتم (9/ 462)، الثقات لابن حبان (3/ 132)، معرفة الصحابة لأبي نعيم (6/ 3504)، الإعلام بفوائد عمدة الأحكام (2/ 60)، تهذيب التهذيب (12/ 471)، مغاني الأخيار في شرح أسامي رجال معاني الآثار (3/ 566)، نزهة الألباب في الألقاب (1/ 329)، الأعلام للزركلي (3/33).