Skip to content

Azoko tamin'i Mpaminany (S.A.W) ny vavaka 10 Rakà

Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A) niteny :

Azoko tamin'i Mpaminany (S.A.W) ny vavaka 10 Rakà : soalat roa Rakà alohan'ny zohr, ary roa rakà aoriany, ary roa rakà aorian'ny Maghrib any an-tranony, ary roa rakà aorian'ny Isha any an-tranony, ary roa rakà mialohan'ny fajri, izany dia fotoana tsy azo hidirana any amin'ny Mpaminany (S.A.W). Nilaza tamiko i Hafsa fa rehefa niantso ny mpanao Azan ary miposaka ny maraina mangiran-dratsy, dia nivavaka roa rakà izy, amin'ny filazana hafa : Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao rakà roa taorian'ny vavaka Zoma.

حَفِظْتُ مِنَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَشْرَ رَكَعَاتٍ: رَكْعَتَيْنِ قَبْلَ الظُّهْرِ، وَرَكْعَتَيْنِ بَعْدَهَا، وَرَكْعَتَيْنِ بَعْدَ المَغْرِبِ فِي بَيْتِهِ، وَرَكْعَتَيْنِ بَعْدَ العِشَاءِ فِي بَيْتِهِ، وَرَكْعَتَيْنِ قَبْلَ صَلاَةِ الصُّبْحِ، وَكَانَتْ سَاعَةً لاَ يُدْخَلُ عَلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فِيهَا، حَدَّثَتْنِي حَفْصَةُ أَنَّهُ كَانَ إِذَا أَذَّنَ المُؤَذِّنُ وَطَلَعَ الفَجْرُ صَلَّى رَكْعَتَيْنِ، وَفِي لَفْظٍ: أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ يُصَلِّي بَعْدَ الْجُمُعَةِ رَكْعَتَيْنِ.

Notantarain’i Bokhari sy moslim tamin’ny fitantarany rehetra
Mari-pototra
Ny fanazavana

Manazava i Abdillah bin Omar (R.A) : Isan'ireo vavaka sonna azony avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny rakà folo, ary ireo no antsoina hoe Sonnah ar-Raoàtib. Roa rakà alohan'ny soalat Zohr ary roa rakà aorian'izany. Ary roa rakà aorian’ny soalat maghrib any an-tranony. Ary roa rakà aorian’ny soalat Isha any an-tranony. Ary roa rakà alohan'ny Soalat fajr Dia feno tanteraka ny folo rakà. Fa amin'ny Soalat Zoma kosa dia manao roa rakà aoriany.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Tsara ny manao ireo Sonnat Raoàtib sy fifikirana aminy.

Ny maha ara-dalàna ny manao soalat sonnat any an-trano.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (2/ 58-59) (1180.

1181).

Sahìh Moslim (2/ 601) (882).

Ny Fanampiny (2)

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

للبسام (ص112).