Rehefa nanandratra ny lamosiny avy niankohoka ny irak’Allah (S.A.W), dia miteny hoe : “Samiallaho liman hamidah - Henon’Allah izay nidera Azy
Tatitra azo avy amin'i Abou Awfa (R.A) niteny hoe :
Rehefa nanandratra ny lamosiny avy niankohoka ny irak’Allah (S.A.W), dia miteny hoe : “Samiallaho liman hamidah - Henon’Allah izay nidera Azy, Ry Allah Tomponay ô! Ho Anao anie ny dera, mameno ny lanitra sy mameno ny tany, ary mameno ny rehetra ankotr'izany izay sitrany.
كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ إِذَا رَفَعَ ظَهْرَهُ مِنَ الرُّكُوعِ قَالَ: «سَمِعَ اللهُ لِمَنْ حَمِدَهُ، اللَّهُمَّ رَبَّنَا لَكَ الْحَمْدُ، مِلْءَ السَّمَاوَاتِ وَمِلْءَ الْأَرْضِ وَمِلْءَ مَا شِئْتَ مِنْ شَيْءٍ بَعْدُ».
Rehefa nanandratra ny lamosiny avy niankohoka amin'ny soalat ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny hoe : “Samiallaho liman hamidah - izay midika hoe: Mandré izay midera Azy Allah”, izany hoe : Izay midera an’Allah Tsitoha dia raisin'Allah aminy ny fiderany ary valiny soa izany. Ary avy eo dia nidera an’Allah izy tamin’ny filazana hoe : “Allah Tomponay ô! feno fiderana ho Anao ny lanitra, ary feno ny tany, ary feno izay rehetra sitrakao ankoatr'izany” Fiderana mameno ny lanitra sy ny tany ary ny rehetra eo anelanelany, ary mameno ny rehetra sitrak'Allah.
...:
Manazava izay tokony holazain'olona mpivavaka rehefa manandratra ny lohany avy nihondrika izy.
Ny maha-ara-dalàna ny fahamaotinana sy ny fahatoniana aorian'ny fitsanganana amin'ny fiankohofana; Satria tsy afaka miteny io dhikr io izy raha tsy mahitsy sy tony tanteraka.
Ity tonombavaka ity dia azo atao amin’ny soalat rehetra, na soalat voadidy izany na an-tsitrapo.
Sahìh Moslim (1/ 346) (476).
Ny Fanampiny (1)
البحر المحيط الثجاج في شرح صحيح الإمام مسلم بن الحجاج (11/ 114).