Skip to content

"Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana.

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Massodi (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana.

«الطِّيَرَةُ شِرْكٌ، الطِّيَرَةُ شِرْكٌ، الطِّيَرَةُ شِرْكٌ، -ثلاثًا-»، وَمَا مِنَّا إِلَّا، وَلَكِنَّ اللهَ عَزَّ وَجَلَّ يُذْهِبُهُ بِالتَّوَكُّلِ.

Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nampitandrina ny amin'ny finoanoam-poana ny Mpaminany (S.A.W), satria izy io dia finoana zavatra re na hita, na vorona na biby, olona manana fahasembanana, na isa, na andro, na zavatra hafa ankoatr'izany. Nolazaina fotsiny ny vorona eto satria izany no fanta-daza tamin'ny andron'ny habadoana, ary ny fiaviany dia ny famotsorana ilay vorona rehefa manomboka hanao zavatra iray toy ny fandehana-davitra, varotra, na zavatra hafa; ka raha nanidina tany ankavanana dia velom-panantenana ary miroso amin'ny zavatra tiany hatao, ary raha nanidina miankavia izany, dia raisiny ho fambara-ratsy ka manatsahatra ilay saika hataony izy. Nilaza izy fa fanompoan-tsampy izany, ary ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy; Satria tsy misy mitondra soa afa-tsy Allah, ary tsy misy mahatohitra ny ratsy afa-tsy Allah irery ihany, izay tsy manana mpiombona miaraka Aminy. Nilaza i Ibn Masod (R.A) fa mety hilatsaka ao am-pon'ny mpino silamo ny finoanoam-poana, saingy tsy maintsy misoroka izany izy amin'ny alàlan'ny fianteherana sy fitokisana an'I Allah, miaraka amin'ny fandraisana andraikitra.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy; Satria mahatonga ny fo hifikitra amin’nyzavatra hafa ankoatra an’i Allah.

Ny maha-zava-dehibe ny famerimberenana ny zavatra manan-danja, mba ho voatahiry sy hitoetra tsara ao am-po.

Ny finoanoam-poana dia esorin'ny fahatokiana sy fianteherana an’I Allah Ilay Tsitoha.

Voadidy ny amin'ny fianteherana amin’i Allah irery ihany sy hamatotra ny fo Aminy, Voninahitra anie ho Azy.

Loharano iverenana

Sonan Abo Daòd (6/ 54) (3915).

Sonan Ibn Màjah (4/ 560) (3538).

Sonan At-Tirmizì (3/ 258) (1614).

Mosnad Ahmad (6/ 213) (3687).

Ny Fanampiny (4)

الجديد في شرح كتاب التوحيد.

لمحمد القرعاوي (ص259).

الملخص في شرح كتاب التوحيد.

لصالح الفوزان (ص233).