Skip to content

"Ny zava-drehetra dia voalahatra, hatramin'ny tsy fahafahana sy ny fiezahana, na ny fiezahana sy ny tsy fahafahana".

Tatitra azo avy tamin'i Taosy (R.A) fa tena marina Izy Niteny ka nanao hoe : Nahita sy nahatratra andian'ireo Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) Nilaza fa ny zava-drehetra dia lahatra, ka Niteny Izy hoe : Izaho nandre an'i Abdollahi ibn Oumar (R.A) Nilaza hoe : Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) nanao hoe :

"Ny zava-drehetra dia voalahatra, hatramin'ny tsy fahafahana sy ny fiezahana, na ny fiezahana sy ny tsy fahafahana".

«كُلُّ شَيْءٍ بِقَدَرٍ، حَتَّى الْعَجْزِ وَالْكَيْسِ، أَوِ الْكَيْسِ وَالْعَجْزِ».

Notantaraiin'i Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra rehetra dia efa voalahatra avokoa; Na dia ny tsy fahafana ary izany dia : famelana izay tsy maintsy atao sy ny fanatarana izany amin'ny fotoanany, mahakasika ny raharaha eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary hatramin'ny ezaka izany dia : Fahavitrihana sy fahaiza-manao amin’ny raharaha eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary i Allah dia efa nandahatra ny tsy fahafahana sy ny fazotoana ary ny zavatra rehetra, tsy misy zavatra miseho eto amin'izao tontolo izao afa-tsy hoe efa voalahatra amin'ny fahalalan'i Tompo Allah avokoa ary efa sitrany ihany koa.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fanazavana ny foto-pinoan'ireo mpiara-dian'ny Mpaminany (S.A.W) momba ny lahatra,

Ny zava-drehetra dia nalahatr'i Allah na dia ny tsy fahafahana sy ny fahazotoana aza izany.

Tazana ny fitandreman'ireo Mpanaradian'ny Mpaminany (S.A.W), tamin'ny fampitana ny Hadithe-n'ny Iraka mahafatokin'i Tompo Allah.

Ny finoana sy ny fanekena ny lahatra rehetra na tsara na ratsy.

Loharano iverenana

Sahìh Moslim (4/ 2045) (2655).

Ny Fanampiny (3)

إكمال المعلم (8/143).

شرح النووي على مسلم (16/205).

الفتح الرباني لترتيب مسند الإمام أحمد بن حنبل الشيباني (1/ 122).