Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

5 of 665 cards

Clear filters
"Izay mahay tsianjery andininy folo manomboka amin'ny fiandohan'ny Surah Al-Kahf dia ho voaro amin'ny Dajjal (Antikristy)." Ary amin'ny fitantarana iray : "Amin'ny faran'ny Sorat Al-Kahf."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manakaiky, nisokatra toy izao androany vala nanidina an’i Goga sy Magoga.” Dia nanondro ny ankihiben-tànany sy ny rantsan-tànany manaraka ny Mpaminany (S.A.W), dia hoy i Zainab binti Djahsh: Ry irak'Allah ô! : Ho rendrika ve isika nefa eo amintsika ireo olona mendrika? Namaly izy hoe : “Eny, rehefa besaka ny faharatsiana.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy ho lazaiko aminareo va momba ny mesia sandoka izay tsy nisy mpaminany tsy nilaza tamin’ny vahoakany? izy io dia toka-maso, ary miaraka aminy ny paradisa sy ny afo, Ka izay nolazainy fa paradisa no afo, ary mampitandrina anareo aho tahaka ny nampitandreman’i Noah ny vahoakany”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Eny tokoa, anisan’ny olona ratsy indrindra dia ireo izay tratran’ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy izay mandray ny fasana ho toeram-pivavahana”.
Tsara Notantarain'i Ahmad
“Ho tonga amin’izy ireo ity finoana ity, tahaky ny fahatongavan'ny alina sy ny atoandro, ary tsy hamela trano madio na feno vovoka Allah, afa-tsy ampidirany an'ity finoana ity, miaraka amin'ny voninahitry mihaja na fahafaham-barakan'ny marefo, voninahitra hanandratan'I Allah ny finoana silamo, ary fanalam-baraka izay nampietry ireo tsy mpino.” Ary niteny i Tamim ad-Dari hoe : “Fantatro izany tao amin’ny fianakaviako, nomem-boninahitra izay nino, fa tratran'ny fahambaniana sy fandoavan-ketra kosa ireo tsy nino.
Mari-pototra Notantarain'i Ahmad