Skip to content

O ry Irak'Allah !, Tsy misy haratsina na koa fahotana afa-tsy hoe Nataoko avokoa, Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Tsy efa nijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary i Mouhammadi dia Irak'Allah va Ianao ?

Tatitra azo avy tamin'i Annas (R.A), Niteny hoe :

Nisy Lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.A.W) Niteny ka nanao hoe : O ry Irak'Allah !, Tsy misy haratsina na koa fahotana afa-tsy hoe Nataoko avokoa, Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Tsy efa nijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary i Mouhammadi dia Irak'Allah va Ianao ? " naveriny in-telo. dia Namaly Izy hoe : Eny, Niteny i Mpaminany (S.A.W) nanao hoe : " izany dia mamafa Azy rehetra izany ".

جَاءَ رَجُلٌ إِلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ، مَا تَرَكْتُ حَاجَّةً وَلَا دَاجَّةً إِلَّا قَدْ أَتَيْتُ، قَالَ: «أَلَيْسَ تَشْهَدُ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللهِ؟» ثَلَاثَ مَرَّاتٍ. قَالَ: نَعَمْ، قَالَ: «فَإِنَّ ذَلِكَ يَأْتِي عَلَى ذَلِكَ».

Notantarain'i Abo Ya'la sy Al-Tabaràni ary Al-Diya' Al-Makdisi
Mari-pototra
Ny fanazavana

Tonga Lehilahy iray teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary Niteny Izy ka nanao hoe : O ry Irak'Allah, marina tokoa fa efa nanatanteraka ireo fahotana sy ny fahadisoana rehetra ny tenako, ka tsy misy navelako na kely na lehibe afa-tsy hoe nataoko avokoa izany, Ka moa ve ho hahazo famelan-keloka fona Aho ? Namaly azy i Mpaminany (S.A.W) ka Nilaza nanao hoe : Moa va tsy efa nijoro vavolombelona ianao fa tsy misy Tompo afa-tsy i Allah ary Mouhammadi (S.A.W) dia irakan'Allah ? Naverimberiny taminy in-telo izany, Ka hoy Izy Namaly hoe : Eny Mijoro vavolombelona marina Aho, Nilaza taminy i Mpaminany (S.A.W) fa ny fahasoavan'izany fijorona vavolombelona roa izany dia ny famafana ireo haratsiana, ary ny fibebana dia mamafa ireo rehetra teo aloha.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Halebeazan'ny fijorona vavolombelona roa sy ny famafàny ireo fahotana ho an'izay Niteny izany am-pahamarinana ao am-pony.

Ny finoana Islam dia mamafa ny fahotana rehetra vita teo aloha.

Ny fibebana marina ihany koa dia mamafa ireo fahadisoana rehetra teo aloha.

Ny famerimberenana ny fampianarana dia anisan'ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W).

Fahasoavan'ny fijorona vavolombelona roa, ary izany dia antony fanavotana amin'ny fijanonana mandrakizay ao amin'ny Afobe.

Loharano iverenana

Hadith voafantina nisoratan'i Al-Dia Al-Maqdisi (5/ 151) (1773).

Ny Fanampiny (8)

مسند أبي يعلى الموصلي (6/ 155) (3433).

المعجم الصغير للطبراني (2/ 201) (1025).

شعب الإيمان (5/404) (7086).

غريب الحديث للخطابي (1/255).

الترغيب والترهيب (4/55).

النهاية في غريب الحديث والأثر (1/341).

الزواجر لابن حجر الهيتمي (2/961).

جامع العلوم والحكم (1/305).