Skip to content

"Nambara tamiko ireo andininy - na nilatsaka - izay tsy mbola hita hatrizay hatrizay, dia ireo fiarovana roa."

Tatitra azo avy amin'i Okba Ibn Aamir (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Nambara tamiko ireo andininy - na nilatsaka - izay tsy mbola hita hatrizay hatrizay, dia ireo fiarovana roa."

«أُنْزِلَ -أَوْ أُنْزِلَتْ- عَلَيَّ آيَاتٌ لَمْ يُرَ مِثْلُهُنَّ قَطُّ، الْمُعَوِّذَتَيْنِ».

Notantaraiin'i Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nitatitra i Okba bin Amer (R.A) fa hoy ny Mpaminany taminy : Nampidinin'I Allah tamiko androany alina ireo andininy izay tsy mbola hita hatrizay - izany hoe tamin'ny fitadiavana fialofana - dia ireo fiarovana roa mpanala devoly : Sorah {kol Birabbil Falaq}, ary Sorah {kol Birabbin Nasi}.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fanazavana ny hasarobidin'ireo sorah roa ireo.

Famporisihana mba hitady fialofana amin’ny ratsy rehetra amin'ny alàlan'izy roa.

Loharano iverenana

Sahìh Moslim (1/ 558) (814).

Sonan An-Nasàì (2/ 158) (952).

Ny Fanampiny (1)

ذخيرة العقبى في شرح المجتبى (12/ 312).