Skip to content

"Ny fepetra tokony ho tanterahana indrindra dia izay fepetra naha-ara-dalàna fahafinaretana".

Tatitra azo avy amin'i Ibn Aamir (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Ny fepetra tokony ho tanterahana indrindra dia izay fepetra naha-ara-dalàna fahafinaretana".

«أَحَقُّ الشُّرُوطِ أَنْ تُوفُوا بِهِ مَا اسْتَحْلَلْتُمْ بِهِ الْفُرُوجَ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny fepetra voalohany takina ny fanatanterahana azy dia ilay maha-ara-dalàna ny fakana fafinaretana ara-nofo amin'ny vehivavy, ary izany dia fepetra azo ekena izay angatahan'ny vehivavy eo amin'ny fifanekena amin'ny fanambadiana.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Tsy maintsy tanterahina ny fepetra napetraky ny mpivady iray, afa-tsy ny fepetra mandrara ny zavatra azo atao na manome alàlana ny zavatra voarara.

Ny fanatanterana ireo fepetran'ny fifamatoram-panambadiana dia fepetra tena tokony ho tanterahina noho ny hafa; Satria izany no ahafahana maka fahafinaretana sy ny firaisana ara-nofo.

Haleben'ny fanambadiana eo amin'ny finoana Islam, Satria izany indrindra no nanantitrantitra ny fahatanterahan'ny fepetra ao aminy.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (3/ 190) (2721).

Sahìh Moslim (2/ 1035) (1418).

Ny Fanampiny (4)

الإلمام بشرح عمدة الأحكام.

لإسماعيل الأنصاري (2/ 63).

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

لعبد الله البسام (ص573).