“Izay manana biby fiompy hataony sorona ka rehefa niditra ny volana Zolhijjah, dia aoka tsy hanala na inona na inona amin’ny volony na amin’ny hohony izy mandra-panaovany ilay sorona".
Tatitra azo avy tamin'i Omm Salamah, Renin'ny mpino, vadin'ny Mpaminany (S.A.W) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Izay manana biby fiompy hataony sorona ka rehefa niditra ny volana Zolhijjah, dia aoka tsy hanala na inona na inona amin’ny volony na amin’ny hohony izy mandra-panaovany ilay sorona".
«مَنْ كَانَ لَهُ ذِبْحٌ يَذْبَحُهُ فَإِذَا أُهِلَّ هِلَالُ ذِي الْحِجَّةِ، فَلَا يَأْخُذَنَّ مِنْ شَعْرِهِ، وَلَا مِنْ أَظْفَارِهِ شَيْئًا حَتَّى يُضَحِّيَ».
Nandidy i Mpaminany (S.A.W) izay te hamono zavatra hatao sorona, mba tsy haka na inona na inona amin'ny volon-dohany, amin'ny handriny, amin'ny volombava, sns... na amin'ny hohon'ny tanany na ny tongony rehefa tonga ny volana Zol-Hijjah mandra-panaovany sorona.
Izay mikasa hanao sorona aorian'ny fiandohan'ny folo andro, dia manomboka amin'ny fotoana nokasainy ka hatramin'ny fanaovana sorona ny fifadiana voalaza etsy ambony.
Raha mbola tsy nanatanteraka ny sorona amin'ny andro voalohany izy, dia tsy maintsy hifady mandra-panaony ny sorona amin'ny andro rehetra amin'ny andron'ny Tashreeq.
Sahìh Moslim (3/ 1566) (1977).
Ny Fanampiny (6)
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (3/ 199).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (6/ 450).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (2/ 1165).