Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

11 of 665 cards

Clear filters
“Tsy afaka mandeha lavitra ny vehivavy mandritra ny roa andro raha tsy miaraka aminy ny vadiny na olona fady azy, ary tsy hanao fifehezana amin'ireto andro roa ireto : Al-Fitr sy Al-Adha, ary tsy hivavaka aorian’ny Fajr mandra-piposahan’ny masoandro sy aorian’ny Asri mandra-pilentikiny , ary aza manao fitsidiana masina afa-tsy amin’ny moske telo: ny Moske Haram, ny Moske Al-Aqsa, ary ity moskeko ity”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niteny ny irak'Allah tamin'ny vehivavy iray avy amin'ny Ansôara izay nantsoin'i Ibn A’bbàs tamin'ny anarany, saingy adinoko ny anarany : "Inona no manakana anao tsy hanao Hajj miaraka aminay?" Namaly izy hoe : Tsy nanana afa-tsy rameva roa izahay, ka lasan'ny rain-janany sy ny zanany ny rameva iray hanavaon'izy roa Hajj ary namela rameva iray hikarakaranay ny volinay, dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Rehefa tonga ny Ramadany dia manaova Oumra ianao, satria ny Oumra amin'io volana io dia mitovy amin'ny Hajj".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat, Hoy ireo mpiara-diany : Na dia ady masina aza? Namaly izy hoe : Eny! Na dia ady masina aza! Afa tsy hoe : Olona iray nivoaka niaraka tamin’ny harenany sy ny vatatenany namonjy ady masina ka tsy niverina intsony".
Mari-pototra Notaterin'i Boukhàri sy Abou Daòudou ary ny lahateny avy Aminy
Ry irak'Allah ô, hitanay fa ny asa tsara indrindra dia ny ady masina, ka tsy tokony handeha hiady ve izahay? Dia hoy izy namaly : "Tsia, fa ny ady masina tsara indrindra dia : ny Hajj madio."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Ny TALBIA nataon'ny Mpaminany (S.A.W) dia : "Labaikallaahoma labaika! Labaika la sharika laka labaika! Inalhamda wanniimata laka walmolko la sharika laka" Niteny izy : "Ary i Abdollahi Ibn Omar (R.A) nanampy tamin'izany hoe : "Labaika Labaika, Wasaadaika, Walkhair biadika, Labaika Warraghbaa Ilaika Wal-Amal.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay manana biby fiompy hataony sorona ka rehefa niditra ny volana Zolhijjah, dia aoka tsy hanala na inona na inona amin’ny volony na amin’ny hohony izy mandra-panaovany ilay sorona".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Tonga teo amin’ny Vato Mainty izy ary nanoroka izany ary niteny hoe : Fantatro fa vato ianao, sady tsy manimba no tsy mahasoa, ary raha tsy nahita ny Mpaminany (S.A.W) nanoroka anao aho dia tsy nanoroka anao velively.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim