Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

9 of 665 cards

Clear filters
Ny Mpaminany (S.W.A) dia nandefa Azy tany Yemeni. Ka nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) momba zava-pisotro izay amboarin'ny Olona amin'io tanàna io Izy. Ka hoy izy (S.A.W) hoe : Inona ilay Izy ? Dia nambarany hoe : Al-bit'o sy Al-mizri. Nisy nanontany i Abo Bordah hoe : Inona ny Al-bit'o ? Dia nilaza Izy fa izany dia divay vita amin'ny tantely; ary Al-mizr dia divay vita amin'ny vary hordea (karazam-barim_bazaha). Dia nilaza Izy (ny Mpaminany S.W.A) hoe : Izay rehetra mahamamo dia Haramo avokoa. BOKHARI
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
"Ny zava-mahamamo rehetra dia toaka, ary ny zava-mahamamo rehetra dia voarara, ary izay misotro toaka eto an-tany ka maty amin'ny fiankinan-doha amin'izany ary tsy nibebaka, dia tsy hisotro izany any ankoatra."
Mari-pototra Notantarain'i Moslim, ary notaterin’i Al-Bokhari ny fehezanteny farany tamin'izany
Tena marina fa i Tompo Allah dia naniraka amin'ny fanaovana tsara ny zavatra rehetra; ka raha mamono (biby tsy fihinana sns) Ianareo, dia ataovinareo tsara famono, ary raha manapa-tenda (biby fihinana) ianareo, dia ataovinareo tsara fanapaka; ka aoka ny tsirairay Aminareo mba handranitra tsara ny lelan'antsiny, ary hampiadana ny biby izay tapahiny.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Mpanome rano olona tao an-tranon’i Abo Talha aho, ary be dia be ny divain’izy ireo tamin’io andro io, ka naniraka olona hiantsoantso i Mpaminany (S.A.W) hoe : Tena marina fa efa voarara ny fisotroana toaka hoy izy : Dia niteny tamiko i Abo Talha manao hoe : Mivoaha ary ario izany ka nariako tokoa ireo toaka, ka niparitaka teny amin’ny araben’i Madina. Niteny ny olona sasany hoe : Nisy vahoaka novonoina raha mbola tao an-kibony izany, ka nampidinin'Allah ilay andininy masina hoe : {Tsy manan-tsiny amin’izay mino sy manao ny marina ny amin’izay nohaniny} [Al-Maidat: 93] ny andininy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nandrara ny fihinanana ny bibidia lava vangy rehetra sy ny lava angofo rehetra amin'ny vorona.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nanao sorona ondrilahy roa misy tandroka ny Mpaminany (S.A.W), namono azy roa tamin'ny tànany izy, nanonona ny anaran'I Allah nanao takbir “Allaho Akbar” ary nametraka ny tongony teo amin'ny takolany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay miompy alika, afa-tsy alika mpiambina na mpihaza, dia hesorina amin’ny asany isan’andro ny bolongan'ny asa soa roa.” Hoy i Salim : Ary niteny i Abo Horaïra manao hoe : “Na Alika manampy amin'ny fambolena, ary izy no tompon'ny angadin'omby.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Allah sy ny Irany dia nandrara ny fivarotan-toaka sy biby maty ho azy sy kisoa ary sampy". Ka nisy niteny hoe : Ry Irak'I Allah, ahoana ny tavin-kena amin'ireo biby maty ho azy; satria izany dia andokoana sambo, hosorana amin'ny vatana, ary ampiasain'ny olona andrehetana jiro? Dia nilaza izy hoe : Tsia, izany dia voarara. Ary niteny ny Irak'i Allah (SAW) tamin'izany hoe : Allah anie handringana ireo jiosy; nataon'I Allah fady azy ireo ny tavin-kena nefa noravan'izy ireo izany, dia namidin'izy ireo avy eo, ka nihinana ny vola azo tamin'izany izy ireo.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim