Nanontany an'i Aisha (R.A) aho, dia hoy aho : Inona no zavatra nanombohan'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niditra tao an-tranony izy? Dia namaly izy hoe : Amin'ny siwak (fiborosina nify).
Tatitra avy tamin'i Shorayh bin Hani' niteny hoe :
Nanontany an'i Aisha (R.A) aho, dia hoy aho : Inona no zavatra nanombohan'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niditra tao an-tranony izy? Dia namaly izy hoe : Amin'ny siwak (fiborosina nify).
سَأَلْتُ عَائِشَةَ، قُلْتُ: بِأَيِّ شَيْءٍ كَانَ يَبْدَأُ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ إِذَا دَخَلَ بَيْتَهُ؟ قَالَتْ: بِالسِّوَاكِ.
Iray amin'ny fitarihan'ny Mpaminany (S.A.W) ny manomboka mampiasa ny siwak raha miditra ao an-tranony izy na oviana na oviana, na andro na alina.
Ny maha-ara-dalàna ny siwak amin'ny ankapobeny amin'ny fotoana rehetra, ary voamarina izany : Amin'ny fotoana atolotry ny sharia, ao anatin'izany : rehefa miditra ao an-trano, rehefa mivavaka, rehefa misasa, rehefa mifoha amin'ny torimaso, ary rehefa miova fofona ny vava.
Fanazavana momba ny fahazotoan'ny mpanara-dian'ny Mpaminany (S.A.W) manontany momba ny toe-piainan'ny Mpaminany sy ny Sonnah-ny mba hanarahany azy.
Ny fakana fahalalana avy amin’ny tompony sy ireo izay mahafantatra azy tsara indrindra, tahaka an’i Aisha, no nanontaniana momba ny toe-piainan’ny Mpaminany (S.A.W), rehefa miditra ny trano izy.
Fahatsaran'ny fiainan'ny Mpaminany (S.A.W) miaraka amin'ny fianakaviany, toy ny nanadiovany ny vavany rehefa niditra.
Sahìh Moslim (1/ 220) (253).
Ny Fanampiny (6)
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (2/ 341).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (2/ 851).
المنهاج شرح صحيح مسلم بن الحجاج.
النووي (3/ 144).