"Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala
Tatitra azo avy tamin'i Jàbir bin Abdillah (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala, na koa ho entina hahazoana toerana tsara, fa izay manao izany dia Afobo Afobe".
«لَا تَعَلَّمُوا الْعِلْمَ لِتُبَاهُوا بِهِ الْعُلَمَاءَ، وَلَا لِتُمَارُوا بِهِ السُّفَهَاءَ، وَلَا تَخَيَّرُوا بِهِ الْمَجَالِسَ، فَمَنْ فَعَلَ ذَلِكَ، فَالنَّارُ النَّارُ».
Nampitandrina i Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny fitadiavana fahalalana noho ny fireharehana sy ny fisehosehoana amin’ireo manam-pahaizana, na ny hanehoana fa manam-pahaizana toa anareo aho, na entina miresaka sy miady hevitra amin’ireo bado sy malemy- saina, na koa hianarana mba hazoana toerana, omena laharam-pahamehana noho ny hafa. Fa izay manao izany dia; miendrika Azy tokoa ny Afobe noho ny fisehosehoany amin'ny Asany ary tsy fisian'ny fahadiovam-po amin'ny fitadiavany ny fahalalana ho an'i Tompo Allah.
...:
Fandrahonana sy fampitahorana amin'ny Afobe ho an'izay mianatra fahalalana ka entiny mba hirehareha momba izany, hiady hevitra momba izany, ary hahazo toerana tsara amin'izany, sns.
Ny maha-zava-dehibe ny fananana ny fikasana marina sy fahadiovam-po madio ho an'ireo rehetra izay Mianatra sy Mampianatra ny fahalalana.
Ny fikasana dia fototry ny Asa ary amin'izany no hamaliana ny Olona.
Sonan Ibn Màjah (1/ 170) (254).
Ny Fanampiny (2)
مرشد ذوي الحجا والحاجة (2/378).
مشارق الأنوار الوهاجة ومطالع الأسرار البهاجة في شرح سنن الإمام ابن ماجه (4/ 482).