Skip to content

Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), ka Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe :

"Niteny tompo Allah ilay avo Tsitoha : Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany".

«قال الله تبارك وتعالى: أنا أغنى الشركاء عن الشرك، من عمل عملًا أشرك فيه معي غيري، تركتُهُ وشركَهُ».

Notantaraiin'i Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Manambara atsika i Mpaminany (S.A.W) fa i Tompo Allah Niteny ka nanao hoe : Fa Izy dia mahaleo tena ka tsy mila mpiara_miombona Aminy na dia kely aza, Izy dia mahaleo tena amin'ny zava-drehetra, ary raha manao asa fanompoana ny Olombelona iray ka nataony ho an'i Tompo Allah sy ankoatrany ihany koa; dia havelan'i Tompo Allah izany asa izany ary tsy ho raisiny mihitsy ny zavatra nataony, ary averiny any amin'ny tompony ilay asa. Ka tsy maintsy atao am_po madio ho an'ny Tompo Allah ny asa, satria Izy Tompo Allah ilay avo Tsitoha, dia tsy mandray no sady tsy manaiky afa-tsy izay natao ho azy irery ihany.

ireo dikan-teny

.....:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fampitandremana fatratra manoloana an'ny fanompoan-tsampy amin'ny fomba sy endriny rehetra; ary izany indrindra dia sakana lehibe eo amin’ny fomba fandraisana ny asa vita.

Fahatsapana ny haren'i Tompo Allah sy ny fahalehibeazany, izay manampy amin’ny fahadiovam-po amin’ny asa.

Loharano iverenana

Sahìh Moslim (4/ 2289) (2985).

Ny Fanampiny (5)

شرح النووي على مسلم (18/ 115).

الملخص في شرح كتاب التوحيد.

لصالح الفوزان (ص287).

الجديد في شرح كتاب التوحيد.

لمحمد القرعاوي (ص325).