Izay mampitony fahoriana iray amin'ny olona mpino, amin'ny fiainana eto an-tany, Allah dia hampitony azy amin'ny fahorian'ny andro farany
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
Izay mampitony fahoriana iray amin'ny olona mpino, amin'ny fiainana eto an-tany, Allah dia hampitony azy amin'ny fahorian'ny andro farany. Izay manamora raharaha amin'ny olona sahirana, dia hamorain' I Allah ny raharahany eto an-tany sy any ankoatra. Izay manafina ny henatry ny mpino silamo iray, dia hafenin' I Allah ny henatrany, eto an-tany sy any ankoatra. Allah dia manampy hatrany ny mpanompo raha manampy ny rahalahiny izy. Izay mizotra amin'ny làlan'ny fianarana mba hikatsaka fahalalana dia hamorain'i I Allah ho azy ny làlana mitondra any amin'ny Paradisa. Ary tsy misy andian'olona, mivorivory ao anatin'ny trano iray amin'ireo tranon' I Allah, mamaky ny Bokin' I Allah, ary mifampianatra izany eo amin'ny samy izy ireo, afa-tsy hoe midina amin'izy ireo ny fahatoniana, mandrakotra azy ireo ny indrafo, manodidina azy ireo ny Anjely, ary miresaka azy ireo Allah, amin'ireo (Anjely) any Aminy. Izay latsaka afara noho ny asany, dia tsy aroso aloha noho ny firazanany.
«مَنْ نَفَّسَ عَنْ مُؤْمِنٍ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ الدُّنْيَا نَفَّسَ اللهُ عَنْهُ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ يَوْمِ الْقِيَامَةِ، وَمَنْ يَسَّرَ عَلَى مُعْسِرٍ يَسَّرَ اللهُ عَلَيْهِ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ، وَمَنْ سَتَرَ مُسْلِمًا سَتَرَهُ اللهُ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ، وَاللهُ فِي عَوْنِ الْعَبْدِ مَا كَانَ الْعَبْدُ فِي عَوْنِ أَخِيهِ، وَمَنْ سَلَكَ طَرِيقًا يَلْتَمِسُ فِيهِ عِلْمًا سَهَّلَ اللهُ لَهُ بِهِ طَرِيقًا إِلَى الْجَنَّةِ، وَمَا اجْتَمَعَ قَوْمٌ فِي بَيْتٍ مِنْ بُيُوتِ اللهِ يَتْلُونَ كِتَابَ اللهِ وَيَتَدَارَسُونَهُ بَيْنَهُمْ إِلَّا نَزَلَتْ عَلَيْهِمِ السَّكِينَةُ، وَغَشِيَتْهُمُ الرَّحْمَةُ، وَحَفَّتْهُمُ الْمَلَائِكَةُ، وَذَكَرَهُمُ اللهُ فِيمَنْ عِنْدَهُ، وَمَنْ بَطَّأَ بِهِ عَمَلُهُ لَمْ يُسْرِعْ بِهِ نَسَبُهُ».
Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny valisoa azon'ny mpino silamo eo anatrehan'I Allah dia mitovy amin'izay ataony amin'ny silamo namany. Ka izay manamaivana sy manamora ary manala amin’ny mpino ny fahasahiranana sy ny fijalina eto an-tany, dia hamaly soa azy Allah amin’ny fanamaivanana azy amin’ny fahorian’ny andro fitsanganana amin’ny maty. Izay manamora ny zavatra sarotra ho an’ny olona sy manamaivana azy ary manaisotra ny fahasahiranany, dia ho hamaivan’I Allah ho azy ny zavatra eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary izay manafina kileman'ny mpino silamo toy ny mahafantatra ny diso sy ny fahotana izay tsy tokony haseho, dia hanafina ny kilemany eto an-tany sy any an-koatra ihany koa Allah. Mpanampy ho an’ny mpanompony Allah, raha mbola manohy manampy ny rahalahiny amin’ny tombontsoany ara-pivavahana sy ara-piainana ilay mpanompo, ary amin’ny alàlan’ny fitalahoana, ny fanampiana ara-batana, ny vola, sy ny zavatra hafa ny fanampiana. Ary izay mikasa ny hahazo fahalalana silamika, ka mikasa ny hanao izany ho an’I Allah Tsitoha; dia hankamorain'I Allah ny làlany mankany amin’ny Paradisa. Ary tsy misy andian'olona, mivorivory anatin'ny trano iray amin'ireo tranon'i Allah, mamaky ny Bokin'i Allah, ary mifampianatra izany eo amin'ny samy izy ireo, afa-tsy hoe midina amin'izy ireo ny fahatoniana, mandrakotra sy manodidina azy ireo ny indrafo, nodidinin'ireo Anjely, ary natokan'Allah izy ireo amin'ny toerana eo akaiky azy, ary ampy ho azy ireo ny voninahitry ny fahatsiarovan'I Allah azy ireo eo amin'ny toerana avo indrindra. Ary izay kely asa soa vitany, ka tsy mitondra azy eo amin’ny laharan’ireo mpanao asa soa, dia tsy tokony hiantehitra amin’ny haja amam-pirazanana sy ny hasin’ny ray izy ka ho lavo amin’ny asa.
Hoy I Ibn Daqiq al-Eid : Hadith lehibe ity, izay mampivondrona karazana siansa sy fitsipika ary fahalalam-pomba isan_karazany, izay ahitana ny hasin'ny famenoana ny filan'ny mpino silamo sy ny fanomezan-tombony azy ireo amin'izay misy, toy ny fahalalana, vola, fanampiana, manondro tombontsoa, torohevitra, na zavatra hafa.
Famporisihana hanamora amin'ny olona tra-pahasahiranana.
Famporisihana hanampy ny mpanompo silamo, ary Allah ilay Tsitoha dia manampy ny mpanampy araka ny fanampiany ny rahalahiny.
Anisan'ny fanafenana kileman'ny mpino silamo : Ny tsy fanarahana sy fitsikilovana ny fahadisoany, Notantaraina tamin'ny alàlan'ireo olona teo aloha fa hoe : Nifanena tamin'ny olona tsy nisy kilema aho, ka nilaza ny fahadisoan'ny hafa izy ireo, ka nilaza ny fahadisoany ihany koa ny olona. Nifanena tamin’ny olona nanana kilema aho, ka tsy nanonona ny fahadisoan’ny hafa izy, ka hadinon'ny hafa ny fahadisoany.
Anisan’ny fepetra takiana amin’ny fanafenana ny kileman'ny olona ny tsy fanaovana ny ratsy ary tsy fanovana izany, fa kosa ovaina sy afenina, ary izany dia mihatra amin’izay tsy malaza amin’ny fanimbana sy ny fikirizana amin’ny fanjakazakana izany. Fa raha olona fantatra amin'izany kosa dia tsaratsara tsy afenina momba azy, fa tokony ampitaina any amin'ny olona manana fahefana aminy raha tsy atahorana hanimba ny hoaviny; satria ny fanafenana ny asa ratsiny dia mitondra azy makany amin'ny fanimbana, Mandrisika azy hanisy ratsy olona izany, ary mandrisika ny olona ratsy fanahy sy mafy loha hafa hanao toy izany.
Ny famporisihana fikatsahana fahalalana, famakiana sy fandalinana ny KORAN.
Hoy i Al-Nawawi : Porofon'ny hasarobidin'ny fiarahana mivorivory amin'ny famakiana ny boky masina KORAN ao amin'ny moske izany... Ary ny moske dia ampiarahina amin'ny fahazoana izany hatsarana izany amin'ny alàlan'ny fivoriana ao amin'ny sekoly, fifamatorana sy ny toy izany raha sitrak'I Allah.
Ny valisoa azon'ny olona dia mifototra amin'ny asa fa tsy amin'ny firazanana.
Sahìh Moslim (4/ 2074) (2699).
Ny Fanampiny (6)
التحفة الربانية.
لإسماعيل الأنصاري (ص82).
الأحاديث الأربعون النووية وعليها الشرح الموجز المفيد.
لعبد الله المحسن (ص69).
شرح الأربعين النووية.
لابن عثيمين (ص355).
Cited in books
32 BooksNy Fanampiny (32)
- الله -جل جلاله- أنيس المحبين وملاذ القاصدين«مَنْ نَفَّسَ عَنْ مُؤْمِنٍ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ الدُّنْيَا؛ نَفَّسَ اللهُ عَنْهُ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ يَوْمَ القِيَامَةِ، وَمَنْ يَسَّرَ عَلَى مُعْسِرٍ؛ يَسَّرَ اللهُ عَلَيْهِ فِي الدُّنْيَا وَالآخِرَةِ»
- المنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح - المعتمدالمنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح“مَن سَلَك طريقا يلتمس فيه علما سهّل الله له به طريقا إلى الجنة، وما اجتمع قوم في بيت من بيوت الله، يتلون كتاب الله، ويتدارسونه بينهم، إلا نزلت عليهم السكينة، وغشيتهم الرحمة، وحفتهم الملائكة، وذكرهم الله فيمن عنده”.
- المنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح - المعتمدالمنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح“من نفس عن مؤمن كربة من كرب الدنيا نفس الله عنه كربة من كرب يوم القيامة، ومن يسر على معسر يسر الله عليه في الدنيا والآخرة، ومن ستر مسلما ستره الله في الدنيا والآخرة، والله في عون العبد ما كان العبد في عون أخيه”.
- المنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح - المعتمدالمنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح“ما اجتمع قوم في بيت من بيوت الله تعالى يتلون كتاب اللّه ويتدارسونه بينهم، إلا نزلت عليهم السكينة، وغشيتهم الرحمة، وحفتهم الملائكة، وذكرهم الله فيمن عنده”.
- المنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح - المعتمدالمنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح“من نفّس عن مؤمن كربة من كرب الدنيا نفس الله عنه كربة من كرب يوم القيامة، ومن يسرّ على معسر يسر الله عليه في الدنيا والآخرة، ومن ستر مسلما ستره الله في الدنيا والآخرة، والله في عون العبد ما كان العبد في عون أخيه”.
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 1 «وَاللهُ فِي عَوْنِ الْعَبْدِ مَا كَانَ الْعَبْدُ فِي عَوْنِ أَخِيهُ»،
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 2وَمَنْ يَسَّرَ عَلَىٰ مُعْسِرٍ يَسَّرَ اللهُ عَلَيْهِ في الدُّنْيَا وَالآخِرَةِ،
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 5«وما اجتمعَ قومٌ في بيتٍ من بيوتِ اللهِ يتلُون كتابَ الله، ويَتَدارَسُونَه بينَهُم، إلَّا نَزَلَتْ عليهِمُ السَّكينةُ، وغشيتْهمُ الرَّحْمةُ، وحَفَّتْهمُ الملائكةُ، وذَكَرَهُمُ اللهُ فيمَنْ عندَه».
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 6«وَمَنْ سَلَكَ طريقاً يلتمسُ فيه علماً سهَّلَ اللهُ لهُ به طريقاً إلىٰ الجَنَّة».
- شرح الأربعين النووية«مَنْ نَفَّسَ عَنْ مُؤْمِنٍ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ الدُّنْيَا نَفَّسَ اللَّهُ عَنْهُ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ يَوْمِ الْقِيَامَةِ، وَمَنْ يَسَّرَ عَلَى مُعْسِرٍ، يَسَّرَ اللَّهُ عَلَيْهِ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ، وَمَنْ سَتَرَ مُسْلِمًا سَتَرَ
- ما لا يسع أطفال المسلمين جهله«وَاللَّهُ فِي عَوْنِ العَبْدِ مَا كَانَ العَبْدُ فِي عَوْنِ أَخِيهِ»[92].
- مادة العقيدة الإسلامية(مَنْ نَفَّسَ عَنْ مُؤْمِنٍ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ الدُّنْيَا نَفَّسَ اللَّهُ عَنْهُ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ يَوْمِ الْقِيَامَةِ وَمَنْ يَسَّرَ عَلَى مُعْسِرٍ يَسَّرَ اللَّهُ عَلَيْهِ في الدُّنْيَا وَالآخِرَةِ وَمَنْ سَتَرَ مُسْلِمًا سَتَرَهُ ال
- مجالس تدارس القرآن للمبتدئين (سورة الفاتحة وقصار المفصّل)1«من سلك طريقا يلتمس فيه علما سهل الله له به طريقا إلى الجنة»([35])،
- مجموعة زاد التفسير (1)التفسير 1«من سلك طريقًا يلتمس فيه علمًا سهل الله له به طريقًا إلى الجنة»
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (1)، والسيرة النبوبة (1)، والعقيدة (1)، والفقه (1)التربية الأسلامية 1«من سلك طريقًا يلتمس فيه علمًا سهل الله له به طريقًا إلى الجنة»
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (1)، والسيرة النبوبة (1)، والعقيدة (1)، والفقه (1)2«من سلك طريقًا يلتمس فيه علمًا سهل الله له به طريقًا إلى الجنة»
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (3)، والسيرة النبوية (3)التربية الإٍسلامية -3- «من سلك طريقًا يلتمس فيه علمًا سهل الله له به طريقًا إلى الجنة»
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (4)التربية الإسلامية 4«من سلك طريقًا يلتمس فيه علمًا سهل الله له به طريقًا إلى الجنة»
- مجموعة زاد التفسير (2)التفسير 2«من سلك طريقًا يلتمس فيه علمًا سهل الله له به طريقًا إلى الجنة»
- مجموعة زاد الحديث (1)الحديث 1«من سلك طريقًا يلتمس فيه علمًا سهل الله له به طريقًا إلى الجنة»
- مجموعة زاد الحديث(2)1«من سلك طريقًا يلتمس فيه علمًا سهل الله له به طريقًا إلى الجنة»
- مجموعة زاد الحديث(2)1«مَنْ نَفَّسَ عَنْ مُؤْمِنٍ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ الدُّنْيَا، نَفَّسَ الله عَنْهُ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ يَوْمِ الْقِيَامَةِ، وَمَنْ يَسَّرَ عَلَى مُعْسِرٍ، يَسَّرَ الله عَلَيْهِ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ، وَمَنْ سَتَرَ مُسْلِمًا سَتَرَهُ ال
- مجموعة زاد الحديث(2)1(سَهَّلَ الله لَهُ بِهِ طَريقًا إِلَى الجَنَّةِ)
- مجموعة زاد الحديث(2)1(ومن بطَّأ به عملُهُ لم يسرِعْ به نسبُهُ)
- مجموعة زاد الحديث(2)1(مَنْ نَفَّسَ عَنْ مُؤْمِنٍ كُرْبَةً...)
- مجموعة زاد الحديث(3)1«من سلك طريقًا يلتمس فيه علمًا سهل الله له به طريقًا إلى الجنة»
- مجموعة زاد العقيده (4)العقيدة 4«من سلك طريقًا يلتمس فيه علمًا سهل الله له به طريقًا إلى الجنة»
- مجموعة زاد الفقه (3)الفقه 3«من سلك طريقًا يلتمس فيه علمًا سهل الله له به طريقًا إلى الجنة»
- مشروع منهاج زادكزادك 3 طالب نهائي«مَا اجْتَمَعَ قَوْمٌ فِي بَيْتٍ مِنْ بُيُوتِ اللهِ يَتْلُونَ كِتَابَ اللهِ، وَيَتَدَارَسُونَهُ بَيْنَهُمْ إِلَّا نَزَلَتْ عَلَيْهِمِ السَّكِينَةُ، وَغَشِيَتْهُمُ الرَّحْمَةُ، وَحَفَّتْهُمُ الْمَلَائِكَةُ، وَذَكَرَهُمُ اللهُ فِيمَنْ عِنْدَه
- نبراس طالب (1)1«مَنْ سَتَرَ مُسْلِمًا سَتَرَهُ اللهُ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ»
- نبراس طالب (1)1«مَنْ نَفَّسَ عَنْ مُسْلِمٍ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ الدُّنْيَا نَفَّسَ اللهُ عَنْهُ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ يَوْمِ الْقِيَامَةِ، وَمَنْ يَسَّرَ عَلَى مُعْسِرٍ يَسَّرَ اللهُ عَلَيْهِ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ، وَمَنْ سَتَرَ مُسْلِمًا سَتَرَهُ ال
- نبراس طالب (3)نبراس طالب 3«وَمَنْ يَسَّرَ عَلَى مُعْسِرٍ يَسَّرَ اللهُ عَلَيْهِ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ»