Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

6 of 665 cards

Clear filters
Nandre ny irak’Allah (S.A.W) aho nilaza manao hoe niteny Allah Ilay avo indrindra : Ry zanak’i Adama, raha mbola mangataka amiko sy manantena Ahy ianao, dia hamela anao Aho ary tsy raharahako, ry zanak’i Adama, raha tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra ny fahotanao, ary avy eo nangataka famelan-keloka tamiko ianao, dia havelako ny helokao, ary tsy raharahako, ry zanak’i Adama, raha manatona Ahy miaraka amin’ny fahotana eran’ny tany ianao, ary avy eo nifanena tamiko ka tsy nampiombona Ahy tamin'ny zavatra hafa, dia hitondra famelan-keloka mitovy velarana ami'izany ho anareo Aho”.
Tsara Notantarain'i Al-Tirmizì
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, inona no famonjena? Dia hoy izy : “Tandremo ny lelanao, ary halalao ho anao ny tranonao, ary mitomaniza amin'ny fahotanao.”
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
“Tsy misy olona manota, ka nitsangana nidio (nanao ouzò) ary nivavaka, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin’Allah, afa-tsy mamela azy i Allah", avy eo izy namaky ity andininy masina ity : {Ary ireo rehetra izay nanao fahavetavetana, na koa nanao ny tsy rariny tamin'ny tenany; ka mahatsiaro an'Allah dia mangataka avy hatrany ny famelan-keloka taminy noho ireo heloka vitany} [Ãl Imran: 135].
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
“Mifaneke amiko ianareo fa tsy hanompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy hangalatra, tsy hijangajanga, tsy mamono ny zanakareo, tsy hitondra lainga izay noforoninao teo anatrehanareo, tsy manao fahotana izay efa fantatra, Koa izay manatanteraka ny adidiny aminareo, dia any amin’I Allah ny valisoany, ary izay tsy nahatandrina izany dia voasazy eto an-tany, dia ho fanavotana ho azy izany, ary izay tsy nahatandrina ampahany tamin'izany nefa nosaronan'I Allah, dia an’I Allah izy, raha sitran'I Allah dia havelany heloka, ary raha sitrany dia hofaiziny izy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Alaviro lavitra no sady hialao ity fahalotoana izay noraran'i Tompo Allah ity. Ka izay manao izany, dia aoka Izy hanafina ny tenany amin'ny fiafenan'i Tompo Allah ary hibebaka amin'i Tompo Allah, fa na iza na iza manambara ny fahotany Aminay, dia ho tanterahiko Aminy izay voasoratran'i Tompo Allah, ilay avo Tsitoha."
Mari-pototra Notaterin'i Al-Hàkimo sy Al-Bayhaqi
“Eny tokoa fa Allah Ilay Tsitoha mamelatra ny tànany amin’ny alina mba hamela heloka ny mpanota amin’ny atoandro, ary mamelatra ny tànany amin’ny atoandro mba hamela heloka ny mpanota amin’ny alina, mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim