i Mpaminany (S.A.W) dia tsy mba mamerina ny ranomanitra izay nomena Azy.
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny :
i Mpaminany (S.A.W) dia tsy mba mamerina ny ranomanitra izay nomena Azy.
أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ لَا يَرُدُّ الطِّيبَ.
Isan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.A.W) ny tsy fandavana ny ranomanitra nomena azy, fa izay nomena azy dia raisiny avokoa; satria izany dia maivana no sady tsara fofona.
Fanekena ny fandraisana ny ranomanitra izay omena; Satria tsy mitaky hery amin'ny fitondràna azy ary tsy misy tsiny ihany koa ny amin'ny fandraisana azy.
Fahafenoan'ny hatsaran-toetra izay hanan'ny Mpaminany (S.A.W) no nahatonga ny tsy famerenany ilay ranomanitra nomena azy ary fanekena ny fanomezana izay nomena azy.
Ny famporisihana amin'ny fampiasana ny ranomanitra.
Sahìh Al-Bokhari (3/ 157) (2582).
Ny Fanampiny (6)
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (6/ 560).
منار القاري شرح مختصر صحيح البخاري.
لحمزة قاسم (4/ 9).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمصطفى الخن وغيره (2/ 1213).